airtel

Politique

02-août-2022

Politique

Maka Alphonse - Filohan’ny CFM Manelingelina ny firesahany fikaonandoham-pirenena ?

Sample post image

Niteraka adihevitra samihafa ny nanapahana ankolaka tsy vita hatramin’ny farany ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Conseil Fampihavanana Malagasy (CFM) Atoa Maka Alphonse,

02-août-2022

tao amin’ny RNM ny alin’ny alahady 31 jolay 2022 teo. Izy no vahinin’ny fandaharana «Sava ravina » tamin’io fotoana io. Tsikaritry ny mpihaino liana tamin’ny fanazavana fa notapahana tsy vita hatramin’ny farany ny fandaharana, izay nandeha ny resaka fa baiko. Nilaza moa ny tenany tao amin’ny onjam-peo tsy miankina iray omaly, fa olona nasaina izy, tsy fantany fetran’ny fe-potoana tokony nitenenany. Na izany aza nisy ireo lohahevitra efa voaomana kanefa tsy voalaza nandritra ny fandaharana momba ny : lafiny tsy fandriampahalemana, fifindramonina anatiny tahaka izay mitranga any Ambatoboeny, Fikaonan-doham-pirenena. Rah any nambarany, misy amin’ireo mpitarika sy antoko politika no naneho fa tsy mitady fiaraha-mitantana na fanonangam-panjakana. Tsy dia resy lahatra amin’io resaka fikaonandoham-pirenena io kosa ny Fanjakana, ka mba hisorohana ny firesahany momba izany bebe kokoa ve ny nanapahana ny fandaharana? Andrim-panjakana ny CFM, saingy mahagaga ity toe-javatra ity. Ny aza aza izany efa tao no toa tsy araka ny nantenain’ny maro ny fizotry ny fandaharana, fa efa maromaro ireo olona ambony voalaza fa tratry ny sivana tao amin’ny RNM eny fa na mpiara-dia amin’ny fitondrana aza. Isan’ireny ny depiote IRD voafidy tany Ikongo Atoa Brunel Razafitsiandraofa izay nisy fotoana voalaza fa voasivana tsy azo alefa amin’ny haino amin’ny TVM sy RNM, efa nampiaka-peo ihany koa ny Filohan’ny Sendikan’ny Adminisitratera sivily sady tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Biraom-pirenena momba ny loza sy ny tandindon-doza Atoa Paolo Raholinarivo,… Fa lasa fananan’olon-tokana fa fananan’antoko ve ny haino aman-jerim-panjakana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap