airtel

Politique

28-mars-2024

Malagasy miara-miainga

«Fanehoana fanjakàna baribarianina no niseho tao anatin’ny 2 andro»

Sample post image

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

28-mars-2024

ary mankahery koa ny filohan’ny antenimieram-pirenena, hoy ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM tetsy amin’ny foibeny etsy Ankerana omaly, amin’ny fijoroany ho raiamandreny amin’ity firenena malagasy ity. Izay fahasahiana mijoro izay, hoy ny filohan’ity antoko ity, Hajo Andrianainarivelo, no andrasana amin’ny olompirenena rehetra, manoloana ny tsy mety eto amin’ity firenena ity. Anaty fangirifiriana tanteraka ankehitriny ny vahoaka malagasy ary ireo rehetra mihevitra fa mandeha izao fiainam-pirenena izao dia diso tanteraka. Be ny tsy fanarahan-dalàna sy toe-draharaham-pirenena tsy mandeha amin’ny laoniny eto. Be dia be ireo fahasahiranana mianjady amin’ny vahoaka nefa ohatran’ny jerem-potsiny. Androany rehefa misy olona sahy miteny, filohana andrim-panjakana, dia hanaovana toetra tsy zaka. Very tanteraka ilay fahendrena malagasy ny amin’ny tokony hanajana izany andrim-panjakana sy raiamandreny izany. Rariny ny raiamandreny raha miteny fa tsy hiray tsikombakomba amina zavatra tsy manjary miseho eto amin’ny firenena amintsika miteny izao. Fanehoana fanjakàna baribarianina no niseho tao anatin’ny 2 andro. Mbola misy miresaka momba izany IRD izany ihany nefa izany IRD izany efa tsy misy intsony. Nisy olona nilatsaka tao toa anay efa niala. Tsy nisy fivorian’izany IRD izany mihitsy natrehanay fony izahay tao. Efa nisy solombavambahoaka niala efa nisy mihitsy aza fitsipaham-pitokisana. Raha tena mijoro marina amin’ny maha izy azy ireo olona ireo fa tsy fankahalàna olon-tokana dia efa tokony nangatahany daholo ny fanalàna tsy ho depiote intsony na «déchéance» an’ireo depiote rehetra tsy nanohana ny kandida notohanan-drizareo. Taitaitra ry zareo androany satria marina ilay voalaza hoe olona no tena sakana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary namitaka ny malagasy. Alarobia mialohan’ny Paska isika no miresaka. Nisy mpamitaka nahatonga ny firenena toy izao teto. Manantena izahay fa tsy hiditra anaty tsy fanarahan-dalàna indray ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy misy firenena intsony eto no dikany raha izay no hiseho, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap