hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Namafisina hatrany fa matoa ny MMM nanapa-kevitra ny hiala tao anatin'ny governemanta dia tsy manana eritreritra ny hiara-hiasa sy hanohana ny fitondrana misy ankehitriny intsony. Tsikaritra fa maro ireo lesoka ao anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana izay karakarain'ny CENI. Noho izany dia tsy mitazam-potsiny ny antoko fa manolotra soso-kevitra maro mba ahafahana mikarakara fifidianana maoderina, mifanaraka amin'ny vanim-potoana iainantsika, entina hanamafisana orina ny demokrasia eto Madagasikara. Isan'ireo hevitra hatolotry ny antoko amin'ny CENI, ohatra, ny fampiasana ny lisim-pifidianana misy ny sarin'ny mpifidy tsirairay mba ho mora fantatra sy tsirihan'ny mpiara-monina ka ho fifidianana eken'ny rehetra no atao. Ny firoboroboan'ny teknolojia rahateo dia manamora ny fanatanterahana izany. Velona ny antoko MMM ary vonona hatrany ireo mpikambana handray anjara amin'ny fifidianana rehetra ho avy, toy ny efa nataon'ny antoko hatramin'izay. Hamarana ny fikaonandoham-paritra rehetra ny faritra Ihorombe ary aorian'izay dia miroso mankany amin'ny fikarakarana ny kaongresy nasionalin’ny antoko, fotoana izay hanapahana ireo hevi-dehibe rehetra tokony ho tapahana manoloana ny raharaham-pirenena, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby