airtel

Politique

23-déc-2022

Politique

Malagasy miara-miainga “Tsy fanapenam-bava no hahatongavana amin’ny fitoniana”

Sample post image

Nitohy tany amin'ny kaominina Ankilivalokely sy tany Toliara ary ny fihaonana amin'ny mpianatry ny oniversiten'i Maninday ny fidinana ifotony nataon'ny filoha nasionalin'ny antoko politika Malagasy miara-miainga na MMM,

23-déc-2022

Andrianainarivelo Hajo. Nahitsy ny mpanorina ny MMM raha nihaona amin'ny ben'ny tanànan’Ankilivalokely, any atsimo andrefana, manoloana ny fanaovana antsonjay ireo olom-boafidy eny ifotony. Tsy azo ekena, hoy izy, izany tsindry sy ramatahora ary fanilihana ireo olom-boafidy eny ifotony, tsy mitovy loko politika amin’ny fitondram-panjakana izany. Lesoka goavana tsy mampandroso antsika ny fifanenjehana. Misedra olana amin'ny famatsian-drano ho fanatsarana ny fambolena ny an-toerana, hoy ny fampitam-baovao. Tsy afa-manoatra ny ben'ny tanàna noho ny antsojay ka nahatonga azy ireo nohazonina am-ponja niaraka amin'ny lefiny. Lany tamin’ny anaran’ny antoko Malagasy miara miainga rahateo ny tenany. Mitaky fifanomezan-tanana ny fampandrosoana ny firenena ka tsy tokony hisy ny fanararaotam-pahefana amin’ny samy mpanao politika ary ny vahoaka eny ifotony, hoy I Hajo Andrianainarivelo. Ilaina ny fifampihainoana ahafahana mampifanaraka ny fotodrafitrasa hajoro sy ny filan’ny eny ifotony. Tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Tokony ahemotra ny fe-potoana amin'izany. Tsy midika akory fa ahemotra ny fifidianana. Betsaka ny tsy tomombana ary tsy tanteraka tao anatin'ny 3 volana ny hetsika. Ny sasany tsy mbola manomboka ny fanisana. Ny hafa mbola maro ireo tsy voasoratra. Tsy tara akory io raha asiana sary amin'ny lisi-pifidianana. Anisan'ny nahatonga ny fitsipahana ny governemanta ny fahasahiranam-bahoaka sy ny fanaovana tsinontsinona ireo olom-boafidy. Tsy nahagaga ny MMM izany ary efa naneho hevitra voalohany izy ireo momba izany. Anisan'ny antony nialana tao anaty governemanta io tranga io nefa tsy nohenoina ny MMM ka niafara amin'izao ny raharaha. Tsy fanapenam-bava ny marina akory no ahatongavana amin'ny fitoniana. Ny fitsinjaram-pahefana tena izy no hahafahana mampandroso ny firenena. Tokony hahay hanaja lalàna velona ihany koa ny tsirairay miainga avy amin’ny mpitondra fanjakana ka hatramin’ny vahoaka eny fitony mba hipetrahan’ny tany tan-dalàna eto amintsika. Hisy akony lehibe eo amin'ny fampandrosoana raha voahaja avokoa ny lalàna, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Miala any sahady ny lalao maloto ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka tanterahina ao anatin’ny distrikan’Avaradrano.

Card image cap
22-avril-2024

Etsy amin’ny La Rotonde Besarety amin’ity tolakandro ity no hifamotoana ireo mpahailalàna,

Card image cap
22-avril-2024

Nafana ny fihetsiketsehana nataon’ny mpitondra notarihin’ny Filoham-pirenena tany

Card image cap
22-avril-2024

Nidina ifotony teny Talatan’i Volonondry sy Ambolo ny kandidan’ny Kolekitifa an’ny

Card image cap