amin’izao fotoana izao. Miditra anaty disadisa sy krizy manodidina ny fifidianana tanteraka I Madagasikara sy ny Malagasy, hoy izy ireo. Nahitsy ny Firaisamonim-pirenena nilaza fa tsy feno ny fepetra hisian’ny fifianana marina. Voafaritra ao anatin’io ny “Fifidianana madio” io ny fifidianana tsy mitanila, mangarahara, manara-dalàna, ary hoeken’ny rehetra ny vokatra, saingy tsy izay no zava-mitranga ankehitriny raha ny fanambaran’izy ireo. Nahitsy izy ireo nilaza fa tena mitanila any amin’ny kandida iray dia ny Filoham-pirenena teo aloha ny rafi-pifidianana dia ny CENI, ny HCC, fa indrindra indrandra ny governemanta izay miara-mitantana vonjimaika ny firenena. Efa very ny fitokisan’ny ankamaroan’ny mpiantsehatra an’ireo rafitra ireo, ka ho an’ny Firaisamonim-pirenena, dia tokony hitondrana fanavaozana sy fanintsiana ary fanatsarana ireo rafitra ireo raha tiana ny hisian’ny fifidianana madio hivoahana amin’ny krizy. Nanamafy ny ahiahy mikasika ny lisi-pifidianana ihany koa izy ireo, ka isan’ny nitondrany fanamarihana ny tsy fahombiazana sy tsy fahatrarana ny tanjona indrindra amin’ny tanàn-dehibe izay misy olona mpifidy maro. Eo anatrehan’ny adihevitra hikaroham-bahaolana, nambaran’izy ireo ihany koa anefa, fa misakana ny fifampiresahana ny fisakanana avy hatrany ny firotsahan’ny filoha teo aloha izay efa Frantsay ka nanary ny zom-pirenena Malagasy, izay notsipihin’izy ireo fa tsy hita sy tsy tazana hatrany amin’ny dinika sy fifampiresahana samihafa hitadiavam-bahaolana. Nanolo-kevitra ny tokony hanarian’io Filoha teo aloha io ny zom-pirenena Frantsay raha te hirotsaka hofidiana ho Filoha Malagasy ny Firaisamonim-pirenena. Marihina anefa fa lasa tsy manan-tsata aloha vao mangataka zom-pirenena indray aorian’izay raha tena sahy hanary ny maha Frantsay azy. Mampanahy ny toe-draharaha satria efa tena mihenjan-droa tanteraka ny tady, ary efa manomboka mifampihantsy, ny mpitandro filaminana toy ny zandary efa mitady hivadika hanao hery famoretana mampiasa fitaovam-piadiana mandratra tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy, ary tsy mifidy toerana hampiasana izany tahaka ny sekoly sy hopitaly. Miantso fifampiresahana sy fitadiavana vahaolana noho izany ny Firaisamonim-pirenena mba hisian’ny fifidianana tsy mitanila sy eken’ny rehetra. Nahitsy moa izy ireo naneho fa manjaka loatra ny fitiavan-tseza sy fitiavam-pahefana diso tafahotra. Noho izany rehetra izany, manao fanentanana amin’ny endriny samihafa ny firaisamonim-pirenena manoloana ny zava-misy ka miantso fiaraha-mientana amin’ny tambajoran-tserasera amin’ny alalan’ny sary sy hafatra fanentanana hoe: “Tsy atao sorona ny Malagasy! Mifampiresaha izao dia izao!”, fananganana ny sainam-pirenena maneho fisaonana fa tandindonin-doza ny firenena izay manomboka rahampitso 26 oktobra haharitra 5 andro, ary ny fampanenoana kiriririoka, anjomara, klaxon, sarom-bilany,… ny 27 oktobra manomboka amin’ny 12 ora atoandro ary haharitra 5 minitra.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny