ary anaty tambazotra sosialy hisontonana fomba fijery feno fankahalana sy fitanilanana atao amin’ny zanakin’izy ireo dia Ramatoa Haingosoa Hortencia Antoinesie Minisitra lefitra misahana ny fandrakofana ala an'i Madagasikara. Nisaotra ny Filoha mba nanendry Antesaka tokana ao anatin'ny governemanta tao anatin'ity fisasahan’ny fe-potoana iasana ity izy ireo. « Efa saika tsy nananana aza izahay ary koa mbola Minisitra leefitra izany fa dia ankasitrahanay hatrany ny Filoha mba tsy nanadino an'i Vangaindrano izay nanohana anao tamin’ny salan'isa 72% tamin’ny Fifidianana lasa teo. Matoa nampidirina ao anaty governemanta io Zanakay tokana dia hiasa ho an'ny tanindrazana izy izay, ary manana andraikitra goavana hotanterahina eto amin’ny firenena dia ny handrakotra ala an'i Madagasikara, koa dia manohana azy ary mankahery azy amin’izany andraikitra sahininy izany izahay Zanak'Antesaka iray Razana aminy eto amin’ny Nosy sy ny Firenena, izay manana « majorité absolue » eran'ny distrika 119 manerana an'i Madagasika na dia mafy ihany aza ny toe-javatra iainany ao anatin'io Minisitera io sy ny Tsindry ara-moraly iainany sy mihatra aminy amin'ny fanatanterahanany izany asany izany izay efa tsy takona afenina intsony », hoy izy ireo. « Efa nanome anay ihany ianao Andriamatoa Filoha Andry Rajoelina, ary tsy nanadino anay nanohana anao hatramin’izay, koa raha sitrakao Tompoko, dia mba miangavy anao izahay hanomezana an'io Minitra lefitra io ny « moyens nécessaires» rehetra entiny manatanteraka antsakany sy andavany ireo asa sy andraikitra rehetra nankininareo taminy tahaka ireo minisitra lefitra namany sy ireo sekreteram-panjaka ireo izay mizaka tena tanteraka fa tsy tsindritsindriana sy ambanimbanian'olona lava tahaka izao henonay sy hitanay amin’ny haino aman-jery isanandro izao noho ny filazany ny marina sy ny zavatra maharary azy satria dia maharary anay ihany koa ny maharary azy Tompoko », hoy ny antso avo. « Tany misy olobe tsy miady zaza », ka niangavy ihany koa izy ireo ny handaminan’ny Praiministra ny disadisa misy amin’ny maha Lehiben'ny Governemanta satria izy no Raiaman-dRenin'izy ireo, ary samy hanaovana tomban'ezaka ka samy hiaro ny asany avy eo anivon'ny Parlemanta roa tonta.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny