ka navoitran’izy ireo ny fametrahana fanovana tsy azo ihodivirana alohan'ny fifidianana 2023 ahafahana misoroka krizy vaovao. Efa anatin'ny taom-pifidianana tanteraka isika ankehitriny, saingy tsy mbola azo antoka ny filaminan’ny fizotrany. Na dia teo aza ireo fampitandremana samihafa efa natao, rehefa nakana lesona ny tranga niainana teo aloha, maro ireo ahiahy mbola mipetraka mikasika ny fifidianana filoham-pirenena, hoy izy ireo. Eo ihany koa ny tsy fahampian'ny serasera manodidina ny fifidianana kaominaly sy monisipaly,… Noho izany, mamporisika ny fametrahana sehatra fifanakalozan- kevitra miasa anaty fahamarinana sy mampandray anjara ny rehetra izy ireo, hahafahana mamantatra miaraka ny tena olana misy, sy ny vahaolana izy ireo. Mangataka ny mba hitarihan'ny FFKM io fifampiresahana io, ka hanasány ny tompon'andraiki-panjakana (Mpanatanteraka, Mpanao lalana, Mpampihatra lalána) ny antoko politika sy ny mpisehatra ivelan'ny Fanjakana (Firaisamonim-pirenena, sendika, seha-pamokarana tsy miankina, Fikambanana ara-pinoana) hiara-handinika ny vahaolana tsy miangatra. Toy izao ny soso-kevitra tetiandro naroson’izy ireo hanatanterahana izany (2023): Fifanakalozan-kevitra eo amin'ireo mpisehatra rehetra (fivoriana voalohany) amin'ny volana martsa; Famolavolana ireo fanovana hatao amin'ny lalam-pifidianana ny volana aprily; Fametrahana izany eo anivon'ny Governemanta sy ny Antenimiera ny volana mey; Fanitsiana ny Lalana mifehy ny tetibolam-panjakana ampidirana tetibola ampy hanatanterahana ny fifidianana filoham-pirenena sy kaominaly ny volana mey; Fandaniana sy famoahana ny lalana amin'ny volana jona; Fanaovana tombana ny fandrosoan'ny fanovana (fivoriana faharoa) ny volana septambra,… Tokony hifameno amin'ny fikarakarana ny fifidianana ankehitriny ihany koa anefa izany fikaonan-doha izany fa tsy sanatria hampisy fahatarana amin'ny fiatrehana ny fifidianana, hoy izy ireo, izay nahitana ny Alliance Voahary Gasy; Liberty 32; Mouvement ROHY; MSIS Tatao; ONG Hitsy ONG Ivorary; ONG Tolotsoa; SAFIDY, Observatoire des élections; Transparency International ,…
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby