Mahakivy satria mbola ny ampahatelony fa tsy ny antsasany akory io, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny Antoko HVM Atoa Rivo Rakotovao omaly. Very fotoana ka hahemotra ve ny fotoana farany ary inona no lalàna arahina? hoy izy. Nahitsy kosa ny tenany nilaza fa misy fandikan-dalàna tian’ny CENI hatao ka hakany ny hevitry ny olona, ary misy ny hiverenana foana hoe: izao no lalàna. Any amin’ny fokontany no tokony hatao ny fanisana kanefa izy te handeha ho any amin’ny zavatra hafa, ka maninona no tsy hovana ny lalàna sa mba efa naheno ianareo hoe: ity misy sakana ka handeha hovaina ny lalàna? hoy ity mpitarika ny HVM ity. Efa nanao fanisana tany anaty orinasa izay tsy ara-dalàna, ka izao ve vao hiverin-dàlana? Naneho hatrany ny ahiahiahiny amin’ny mety hisian’ny politika ratsy sy mandainga foana. Misy ny ezaka izay ataony hoe mampiantso ny rehetra kanefa raha izahay HVM sy ny ao anatin’ny RMDM mijery an’ilay izy dia toa tratry ny hoe: efa teo ianareo satria izay soso-kevitra rehetra naroso teo aloha tsy misy noraisin’ny CENI fa dia tahaka ny hoe: fampandrenesana izay vita fa ny rehetra dia miteny izay hitany fotsiny. Efa zatra ilay hoe: azo raisina fa tsy mitombina, ka ho an’ny HVM dia tena mahakivy, raha ny nambaran’I Rivo Rakotovao. Hita mihitsy, hoy izy, fa tsy ampy ny fanomanana, tsy ampy ny vola hoenti-manana ahafahana manatanteraka tsara ny fifidianana. Mbola baraingo ny hoe: inona ny fifidianana hatao? Ny tetibolam-panjakana (LFI) efa vita, ary tsy mety ny hoe: aleo ny vola ananana ao no atao? Ny LFR izay ianteherana dia mariky ny tsy fahombiazana satria manana drafitr’asa herintaona akory, ny fifidianana tsy tongatonga ohatran’ny covid-19 fa efa fantatra hatry ny ela. Mitaky ny mangarahara hatrany ny HVM ary nametra-panontaniana hoe: mba mahasahy miteny fanovana lalàna ve ohatra ny CENI, nisy ireny fanambaran’ny iraisam-pirenena lalovana fotsiny, ahoana ireo toromarika na “recommendations”, ny famerana ny vola ampiasaina,…? Nametraka ny olona hoe: nekena ny 2018 fa mila ahitsy saingy tsy raharahiana. Mivory aza izahay sakanana ka inona no atao amin’ny fanentanana ny olona hanao lisi-pifidianana? Tsy maheno mihitsy ny CENI hahasahy hiteny hoe: tsy mety izany fa avelao ny antoko halalaka, ary eo izy dia manao kely an’ilay resaka hoe: amin’ny fanentanana fifidianana ihany, kanefa tandremo fa ny lalàna mihitsy no mamaritra amin’ny fanabeazana amin’ny maha olom-pirenena, hoy I Rivo Rakotovao.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby