nanambara ihany koa ny Fikambanana VTM na Vondron’ny Tanora Malagasy fa hanohana sy hampanadany ny Kandida N°1 na betsaka aza ireo kandida nifampiresaka tamin’izy ireo. Vondrona tanora izay efa misandrahaka manerana ny distrika 68 isa manerana ny Nosy, ahitana mpikambana maro be ny VTM, raha ny nambaran’ny mpitarika azy.
ANTONY MARO
Antony maro raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vondron’ny Tanora Malagasy Rakotomalaza Desiré sy ny sekretera jeneraliny Rafanoharana Jean De Dieu no nanosika azy ireo hanohana ity kandida laharana voalohany ity. Lohalaharana amin’ireny ny fanarenana ny fitantanana izay nambaran’izy ireo fa tokony hojerena maika eto amin’ny firenena. Eo ihany koa ny fitsinjovana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fanabeazana izay tena angadin’ny kandida Tahiana Razafinjoelina tokoa, ny fijerena ny fototry ny fahantrana sy ny olana ara-pivelomana eo amin’ny vahoaka madinika. Afaka mijery ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro izay tsy misy dikany amin’ny mpitondra ankehitriny intsony, hoy ny FTM. Tafiditra ao anatin’ny vinany ohatra ny fahaleovantena ara-tsakafo , izay fototry ny fivoarana sy ny fampandrosoana, ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izay mampitaraina fatratra ny vahoaka. Tahaka izany ihany koa ny fahasalamana izay feno lesoka toy ny risoriso ara-pitsaboana sy ara-panafody. Tahaka izany ihany koa ny fanatsarana ny lafiny fambolena sy ny fiompiana, ny fitadiavana lalam-barotra ho an’ireo tantsaha mpamokatra sy ny asa fanamboaran-dalana ary ny fampitomboana ny fitaovana sy ny masomboly hampiasain’ireo tantsaha,…
HAHAZO TOMBONY NY TANORA
Fa tsy ireo voalaza ireo ihany hoy ny VTM no mampiavaka ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ireo mpifaninana aminy miisa 12 fa hanome sehatra manokana ny tanora ihany koa ity kandida iray ity. Ny tanora mantsy hoy izy no ho avin’ny firenena ka tsy mijanona amin’ny resaka fanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana fotsiny izany fa tonga hatrany amin’ny sehatry ny fandraharaharana mihitsy. Nanipika moa ity fikambanana ity, fa nandritra ny fifampiresahana anatiny teo amin’izy ireo, dia maro ny kandida niantso azy, fa nisafidy an’I Tahina Razafinjoelina satria mitovy sy mirazotra amin’ny vinan’ity kandida ity ny foto-kevitra ijoroan’ny VTT. “Tsapanay sahady fa tena vonona hanatanteraka sy hanasoa ny firenena Malagasy ny tenany, ka izay no antony hanohanana azy”, hoy hatrany Rakotomalaza Desiré. “Mandalo fahasahiranana tanteraka ny tanora Malagasy satria ny mpitondra teo aloha tsy mba nijery ny tanora. Ny tenako izao mba isan’ny mba manana orinasa ihany fa tena mijaly tsy mahazo vola, tsy mba mahazo famatsiam-bola. Ny tanora raha hanangana orinasa dia tena sahirana vao mahazo vola amin’ireny banky mpampindram-bola ireny, fa ny olona avy any ivelany na sinoa na karana vetivety dia mahazo ary ny banky indray aza no manatona. Tsy misy antoka intsony hieritreretana raha ny efa nitantana no hiverina eo ka hamaha izany satria izy efa teo tsy nahavita”, hoy Filohan’ny VTM. Nananamafy noho izany io Fikambanana io, fa ny kandida N°1 dia mpanabe sady mpandraharaha koa inoana fa tsy hanao antsirambina velively ny tanora mihitsy izay tena ho avin’ny firenena tokoa raha tojo mpitantana hendry sy mahay ary mahatsapa ny tena fahorian’ny Malagasy toa an’i Tahina Razafinjoelina.
Toky R sy Pati
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.