airtel

Politique

03-juin-2022

Politique

Manda Ravelojaona “Andraikitry ny antoko politika ny manabe ny olona”

Sample post image

Herintaona mialohan’ny fifidianana isika, hoy ny mpanao politika, Manda Ravelojaona. Isan’ny andraikitry ny antoko politika, hoy izy, ny manabe ny olona hoe andao hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana.

03-juin-2022

Fanadinana hatrehin’ny mpanao politika sy antoko politika ny fifidianana madio sy mangarahara. Izay no irian’ny rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena. Dingana lehibe nataon’ny fitondram-panjakana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana izay hitako hoe tsara fipetraka satria raha mifarana amin’ny 2023 io dia midika fa tsy tokony hisy olona ivelan’ny lisi-pifidianana intsony ao anatin’ny fifidianana 2023. Tokony hifanabe isika hoe andao hisoratra anarana fa indrindra hanara-maso io lisi-pifidianana io. Ny tiako hanentanana kely dia ny hoe tokony hamaivanina ny asan’ireo ratsa-mangaikan’ny CENI satria ny olana matetika dia lasa be loatra ny andraikitr’ilay olona manao fanisam-bahoaka, ohatra, ao anatin’ilay 18 taona dia lasa misy anarana tsy voasoratra mifanaraka amin’ilay ao anaty kopia fa raha ekentsika, ohatra, hoe ao anatin’ny 1 andro mba 20 isa no vitan’ny olona iray dia ny mpanisa no ampiana dia mba mety hilamina tsara amin’izay ny fanoratana. Ny matetika misy dia olona 1 miandraikitra olona miisa 50 ao anatin’ny iray andro. Mavesatra izany. Nitaky “refonte” isika. Tonga izy ity ka inoako fa tsy hisy sakana intsony ny fifidianana fa hadio sy hangarahara. Mila ampiana ny isan’ny olona mikarakara fifidianana fa izay no itako lesoka. Atao tonga tsara hatrany anivon’ny fokontany. Mila omena fiofanana feno, indrindra, izy ireo mba hahazoana ny fenitra takiana iraisampirenena. Ampiana ireo ratsa-mangaika eny ifotony toy ny CED sy ny ambiny rehetra, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap