airtel

Politique

07-mars-2023

Politique

Manda Ravelojaona “Dosie iniana foronina ireny farany teo ireny”

Sample post image

Ny mpanohana ny fitondrana dia manaja ny fitsipiky ny antoko ary samy mametraka ny anjara toeran’ny tsirairay, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko politika TGV na Tanora malagasy vonona ao Anjozorobe, Manda Ravelojaona.

07-mars-2023

Tsy manana olana, hoy izy, ny mpikambana fa mitaky mandrakariva hoe tokony apetraka amin’ny toerana misy azy arakaraky ny anjarany ny tsirairay eo anivon’ny antoko. Izay no maha sarotiny ny antoko dia ny hijerena ny tsirairay izay mahazo seza. Misy ny dosie mivoaka. Matetika izy ireny tsy dia marina. Efa nandalo zavatra maro ireny. Ho an’ireo marina kosa dia efa nisy ny nandraisana fepetra. Tamin’ny fanendrena tomponandraikitra farany teo kosa dia hitako hoe dosie iniana foronina ireny miparitaka ireny ary tsy tena misy hoe fiantraikany amin’ny fiainan’ilay olona akory ilay izy fa ezahana voizina fotsiny. Misy te hisongadina ao dia manao zavatra tsy am-piheverana. Mandeha ny fandaminana rehetra ho anay amin’ny maha taom-pifidianana ity taona ity. Ny eny ifotony no mitondra an’io. 140 miliara Ariary no nambaran’ny CENI fa hikarakarana fifidianana. 44 miliara eo no an-tanana. Aza adinoina fa ohatran’izay ihany ny fikarakarana fifidianana eto. Raha atao ny fanazavana dia anatin’io 140 miliara io ny fanabeazana olompirenena andeha hifidy. Ao ireny fanabeazana rehetra ataon’ny fiarahamonim-pirenena rehetra ireny. Izany hoe tetibola hafa ireny. Anjaran’ireo mpikambana sy mpiara-miombon’antoka no manatanteraka ireny. Tsy voatery ho lelavola fa arakarak’ilay tetikasa. Ny an’ny Safidy izao nahazo 4 miliara Ariary, ohatra. Ilay 40 miliara ahafahana manatanteraka hoe aiza no hametrahana biraom-pifidianana? Inona no karaman’ireto olona ireto? Ny vondrona eoropeanina tonga teto nilaza fa hanohana antsika fa tsy nanonona sora-bola, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap