2 tapitrisa isan’andro izany satria nampitomboina ho milina roa ka vinavinaina ho vita amin’ity herinandro ity, hoy ny CENI. Natao milahatra araka ny filaharan’ny kandida. Tsy mitovy amin’ilay endrika naseho tamin’ny 11 septambra mihavia sy mihavanana, fa natao misesy araka ny filaharana. Soso-kevitra avy amin’ny kandida no antony, mba tsy hahavery ny mason’ny mpifidy, ary hetahetan’ny mpanao politika no niaingany, hoy ny Filohan’ny CENI. Nambara fa efa misy fiarovana manokana, ka horaisim-potsiny izay mieritreritra hanao hosoka satria bileta tokana efa misy famantarana manokana io. Isan’ny ahiahian’ny mpanao politika ny hoe: hatramin’izay 40 na 50% eo taham-pandraisana anjara ka ireo ambina bileta ve tena mivoaka mazava hoe: ireto ary ilay tsy nampiasaina? Manao ahoana ny tsindry samihafa sy ny baiko mety hahazo ireo rafitra sy solontenam-panjakana isan’ambatongany amin’ny mety ho fanomezana tombondahiny ankolaka na mivantana ny kandida? Momba ny fahavitsian’ireo solontenan’ny kandida tonga nivory omaly, nilaza ny Filohan’ny CENI, fa izay tonga eo dia miady hevitra ny CENI, ka antenaina ho tonga ireo izay tsy tonga omaly amin’ny manaraka. Ny 24 septambra izao indray moa no hisy ny fihaonana fahaefatra hanasan’ny CENI ireo mpisehatra samihafa amin’ny fifidianana ka asa indray izay ho fisehony? Momba ny fiatrehana ny fifidianana toy ny vola ampiasain’ny kandida kosa, ny famerana ny tetibola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra, dia ny loharanom-bola no arahi-maso amin’izao, izay amin’ny alalan’ny Komity fanaraha-maso momba ny famatsiam-bola ny fifidianana. Raha misy ny famotsiam-bola dia azo atao ny manenjika an’izay fa ny resaka famerana aloha mbola tsy tonga amin’izany.
Toky R
Sary fanehoana
Raikitra ny sakoroka ara-tsosialy ateraky ny fahatram-bahoaka izay lalaovina ara-politika sy
Mihamafy indray ny tsio-drivotra politika tato ho ato satria miditra amin’ny taom-pikatrohana
Tsy maintsy hitranga ny tolom-bahoaka, na ny tamin’ny 1991 io na ny taty aoriana,
Manalaba baraka parlemantera, raha izaho no Fanjakana arovan’iny olona iny