airtel

Politique

10-oct-2023

Mandrisika ny Firaisankinan’ny

kandida ny RMDM “Tratraro aloha ny tanjona, tsy mila propagandy tery vay manta”

Sample post image

Misamboaravoara tanteraka ny fiainam-pirenena, misy fitakiana samihafa ataon’ny Firaisankinan’ny kandida mba

10-oct-2023

hisian’ny làlan-jotra madio amin’ny fanatanterahana ny fifidianana, kanefa toraka grenady lakrimozenina sy herisetra samihafa no setriny, ka manameloka amin’ny heriny rehetra ireny habibiana tsy roa aman-tany ireny ny RMDM araka ny fanambarany omaly. Takian’izy ireo ihany koa ny famoahana tsy misy fepetra ireo olona nosamborina tsy ara-dalàna, tahaka ny Sekretera Jeneralin’ny TIM izay tsy hita izay fahadisoany kanefa ireny no nanaovana azy, hoy io vovonana io. Mamporisika sy mankahery ny Firaisankinan’ny kandida hanohy ny tolona sy hanatratra ny tanjona ny RMDM, ary naneho fa an-damosin’izy ireo ka tsy mihemotra na amin’ny mora na amin’ny sarotra fa mpirahalahy mianala. Niantso ny RMDM manerana ny Nosy hanamafy ny tolona tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida mba hanesorana ny fanjanahana vaovao noho izany Birao Nasionaly. Niantso ihany koa ny mpitandro filaminana izay natao hiaro ny fiandrianam-pirenena mba tena hijoro ny amin’izany satria ny Mpitondra mandalo. Eo anatrehan’ny fisokafan’ny propagandy anio, nilaza ny RMDM fa tsy madio ny fifidianana na fanomanana na fikarakarana, misy ny kandida maratra,… ka propagandy inona no atao amin’izany? Fanerena no ataon’ny Fanjakana ankehitriny hampanekena ny zavatra tsy mety ka tokony hifampiresaka ambony latabatra fa tsy mety sy tsy hampilamina ny famonoana sy fandatsahan-drà. Milaza noho izany ny RMDM, fa tsy tokony hisy propagandy handeha raha tsy milamina ny zava-drehetra satria ny fikarakarana fifidianana tsy voadio, misy ny kandida sy olona noratraina, misy ny fanagadrana,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap