Nametra-pialana ny 8 amin’ireo mpikambana 9 amin’ny Birao Maharitry ny CENI (Commission Électorale Nationale Indépendante) na vaomieram-pirenena. Ny filohan’io rafitra io Thierry Rakotonarivo, izay vao niditra tamin’ny volana Desambra lasa teo, sisa no mbola mitazona ny toerany. Nanapa-kevitra hiala an-tsitrapo ireo mpikambana, araka ny fanazavan’izy ireo. Naneho fa natao io ho valin’ny fitakiana teny an-kianja sy ho fanokafana lalana amin’ny fanavaozana ny rafitra. Efa napetraka tamin’ny HCC (Haute Cour Constitutionnelle) ny 5 martsa ny fametraham-pialana, ary nivoaka omaly ny fanamarinana fahabangan-toerana. Araka ny didy navoakan’ny HCC dia voamarina ny fahabangan-toeran’ireo mpikambana: ANDRIAMALAZARAY, Voalohany Filoha Lefitra, JEANNOT Guy Georges Razafindraibe, Filoha Lefitra Faharoa, RANDRIANARIVONANTOANINA Tina Ifanomezantsoa, Filoha Lefitra Fahatelo, FIDIMIAFY Roger Marc, Voalohany Mpanadihady, RAVALITERA Jacques Michaël, Mpanadihady Faharoa, DAMA Andrianarisedo Retaf Arsène, Mpanolo-tsaina, ANDRIAMAROTAFIKATOHANAMBAHOAKA Ralaisoavamanjaka, Mpanolo-tsaina, ary RAZAFIMAMONJY Laza Rabary, Mpanolo-tsaina. Naneho ny filohan’ny CENI Thierry Rakotonarivo, izay sisa tavela, fa hampahafantatra ireo rafitra nanendry azy ireo toy ny PRRM, Holafitry ny Mpisolovava, Fitsarana Tampony, Holafitry ny mpanao gazety na OJM, Fiarahamonim-pirenena. Manana 15 andro ireo rafitra hanendry solontena vaovao ary ny PRRM no mandray ny valim-pifidianana sy mamoaka didim-panjakana hanendry ireo vaovao, arahin’ny fianianana. Mamita ny taom-piasana tsy vitan’ireo teo aloha ireo ho avy, raha raisina amin’io. Raha ny lojikany dia tsy ireo CENI hanapitra ny taom-piasan'ireo niala no hanao fifidianana 2027 na 2028...
TOKONY HORAVANA IREO FIFIDIANANA VITA ?
Ny fialana tampoka sy mitambatra toy izao dia nofaritana ho kihon-dàlana iray ara-politika satria tsy nampoizina ny hetsika, tsy nisy famantarana mialoha, ary misy fiantraikany mavesatra eo amin’ny rafitra ara-pifidianana sy manamafy ny tsy fahamarinan-toeran’ireo lany tamin’ny fifidianana vita. Ny fanontaniana lehibe mipetraka izao dia ny hoe : ho voadion’ny fametraham-pialana nitambatra ve ny lesoka goavana niainga tamin’ny CENI ka nivoaka amin’ny varavarambe ireo mpikambana ? Ho vitan’ny CENI ve ny hanangana indray ny fitokisan’ny vahoaka sy ny hanamafy ny fahaleovantenany amin’ny fanatanterahana ny fifidianana ? Hatreto aloha, mbola tsy niova ny làlana, ny olona no hisolo fa ny pitsopitsony voatazona. Rava ny CENI izay nikarakara ireo fifidianana niteraka krizy teto : ny Fanjakana teo aloha notarihin’i Andry Rajoelina izay lany tamin’ny andron’iny CENI iny efa rava amin’ny ankampobeny, ny Antenimierandoholona efa rava sy lany fotoam-piasana, ny CENI nanao izany efa nametra-pialana ny mpikambana rehetra,… Azo lazaina ho lesona tokony hiteraka fahatsapan-tena politika ireny ! Moa tsy lojika izany ny fampiatoana na fandravana ireo rafitra lany tao anatin’ny fifidianana nataon’ny CENI ka anisany io antenimierampirenena mampiady hevitra io izay mbola mampidingin-drambo an-dry Milavonjy Philobert izay milaza fa mbola ny MAPAR no maro an’isa tokony hanolotra ny anaran’ny Praiminisitra ?
Toky R