politika sy jeopolitika eto amintsika amin'izao fotoana izao. Isan'ny fanontaniana mipetraka ny hoe inona ny sary hitranga taorian'ny fandravana ny governemanta ? Praiminisitra tahaka ny ahoana no mety hotendrena eo? Tratry ny tsindry goavana ve ny Filoham-panjakana ? Nialohan'izay, betsaka ireo karazana hetsika tamin'ny departemanta vitsivitsy toy ny teo anivon'ny fahasalamana, ny fambolena sy ny fiompiana, fampianarana,... Teo ihany koa ilay fanambarana nataona andiana tanora nitaky ny fanonganana ny Praiminisitra sy ny governemanta izay misy mamoaka sary sy mitsikera fa tanora mpanohana mafana fo an-dRajoelina no isan’ny lohan'ny mpisorona,... Asa hoe noho ireny tokoa ve no anton'ny fanapahan-kevitra sa fifandrifian-javatra?
MANAO AHOANA NY METY HO FIHETSIKY NY VAZAHA ?
Amin'ny lafiny ara-jeopolitika sy fifandraisana Iraisam-pirenena, na naneho aza ny Fitondrana fanavaozana fa misokatra amin'ny fiaraha-miasa amin'ny Firenena izay mety ahazoantsika tombotsoa ao anatin'ilay hoe "touts azimuts" sy "multilatéralisme", dia heverina fa mety misy Firenena na Vondrona Iraisam-pirenena tsy dia mahazoazo loatra ny mety ho fifandraisana mafana, toy ny amin'ny Rosianina, izay nanao karazana fampisehoana tanjaka mihitsy tamin'ny tohana taorian'ny rivodoza. Misy ny Firenen-dehibe mety sosotra amin'ireny ka manetsika ny paikadiny, fa mety mandeha ihany koa ny adisisiky ny andaniny hametraka ny olony ho tambin'ny fanohanana ara-politika? Nisy endrika fifaninanana tamin'ny fanohanana an'i Madagasikara izay tena zava-dehibe, saingy ny fitsoaky ny rivotra ara-jeopolitika mifanindran-dalana eo foana. Ankoatra izany, nisy ilay fangatahana "tondrozotra" na "feuille de route" nataon'ny SADC sy natolotra azy, nolazaina mazava fa tatitra no atao fa ny Malagasy no masi-mandidy, izay mety tsy mahafaly ny vazaha,... Misy famatsiam-bola politika ataon’ny vahiny entina hanetsehana olona hanozongozona rafitra na fitondrana ?
TSY TONGATONGA HO AZY...
Na misy ambadika na tsia, heverina fa tsy tongatonga ho azy ireo tranga maro samihafa, tsy mandehandeha ho azy ireo trangana fanambarana hafahafa na hetsika nanana endrika politika namelezana ny Fitondrana,... Fa heverina ny fisiana tsindry bokotra ara-politika mety tsy avy ato anatiny ihany fa misy dian-tanan'ny matanjaka. Dia ireny nisesy tao anatin'ny fotoana fohy ireny ny toe-draharaha hafahafa, nivoaka hatramin'ny fisiana fitaovam-piadiana mahery vaika tratra ireny, ny fanambarana etsy sy eroa hoe miala, ny fanombohan'ny karazana grevy toy ny mpiasan’ny minisiteran fambolena, mpianatra, misy sendika manambana ny hitokona,... Ny serasera manasa atidoha vahoaka hoe tsy izao no fanavaozana notakiana efa atao totoafo na vao 4 volana aza ny governemanta izay mety betsaka tokoa ny lesoka fa mba nisy ihany koa ny dingana lehibe,... Dia iny tonga hatramin'ny fandravana governemanta iny. Rava nialohan’ilay hivoahan’ny tatitra momba ireo fanadihadiana lehibe mikasika ny fanadiovana ny Firenena hamongorana ny tsimatimanota hatao ny 19 martsa raha ny fandaharam-potoana voafaritra. Manampy trotraka, malaza ny ady mangatsiaka na ady an-trano amin'ny samy mpitondra ao ambonimbony ao. Ny irariana dia ny hoe: enga anie ireo fanapahan-kevitra sy dingana politika hirosoana mba tena ho an'ny tombotsoan'ny Firenena tokoa ka ny isavorovoroan-kilatoana!
Toky R