izay nandoro tsy nisy nanangana, fa niandry ben’ny tanàna tanora tamin’ny 2008 nanangana an’io, hoy indray ny fanasongadinan-tena sy toa fanadiovan-tenan’ny ankolaky ny Filoha Andry Rajoelina momba ilay maha vazaha taratasy. Nilaza ho niasa mafy ho an’ny vahoaka sy ny tanindrazana ary misy vokany na dia mbola tsy ampy aza, ary ekeko izany satria mbola maro ny Malagasy miaina ao anatin’ny fahantrana,… ary izay indrindra no mbola antony hijoroako, hoy izy nanamafy ny toa mbola faniriana hitondra. “Tsy ny olona manakiana anao 1000 na 1200 amin’ny Facebook no izy, sondage tsy izy ny Facebook, fa ny sondage teny izy ny eny an-kianja,... Tsy izay olona mitabataba vitsivitsy na miteny mafy no manana ny rariny fa ny olona rehetra dia mahita ny fampandrosoana. Ekena fa mbola tsy afaka ao anaty fahantrana fa izany no mampiezaka. Ny vahoaka Malagasy rehetra ihany no afaka mametra ny asa vita sy natao,...”, hoy ny fiezahana hilaza fa tena mbola mamim-bahoaka! Mbola nampiany aza hoe : isika eto an-drenivohitra no mety tsy mahita fa ny any ambanivolo mahatsapa tsara fa mahazo fanampiana sy tosika, ary mankany Fort dauphin sy Ambovombe aho faly ny olona hoe : merci prezda ! Hizara vary indray isika manomboka amin'ny herinandro, hoy ny fampanantenana satria akaiky ny fifidianana. Dia tena minia mikipy ve sa tsy mahita fa efa tena sosotra amin’izao zava-misy izao ny Malagasy, eny fa na sarontsaronana amin’ny serasera ho mahazaka vahoaka maro any amin’izay rehetra aleha aza. Ny hamehezana azy dia hoe: toa ho nofy izany hahita an-dRajoelina hanaiky ho diso sy tsy mahomby izany, ka any anaty latsa-bato angamba no mila ampahafantarina azy, fa efa sosotra amin’izao zava-manjo ny firenena: toekarena, sosialy, politika izao ny Malagasy!
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby