airtel

Politique

17-nov-2021

Politique

Manizingizina ny mpanohitra “Ravao aloha ny HCC sy CENI …”

Sample post image

Nanao vakibantsilana ny antony tsy azo anekena intsony ny rafitra misy eto amin’ny firenena tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina omaly ny mpitsara iraisampirenena teo aloha,

17-nov-2021

 Arlette Ramaroson, sy ny mpanao politika, James Ratsima, ary ny filohan’ny antoko politika Teza, Dr Jean Louis Rakotoamboa. Noresahana indrindra ny mikasika ireo fitsipi-dalao momba ny fifidianana sy ny lalampanorenana. Isany ny lalana mifehy ny fifidianana, ny lalana mifehy ny antoko, ny lalana mifehy ny serasera ary ny didy hitsivolana laharana 60-082 izay milaza hoe raha hidina an-dalambe fa tsy mety ny ataon’ny mpitondra dia tsy maintsy maka alalana amin’ny prefen’ny polisy. Nezahana ny nanaiky lembenana tamin’izany lalana samihafa natao teto amin’ny firenena izany taorian’ny tetezamita, hoy izy 3 mianadahy. Natao nitanila ny lalampanorenana. Niarahana tao amin’ny tondrozotra na “feuille de route” fa dia nekena mba tsy hisian’ny fikorontanana. Ny vokany avy eo toy ny valalan’alika satria na ny tompony aza tsy tia. I Andry Rajoelina indray no nilaza hoe ovao ary tsy vitan’izay fa hitsakitsahiny amin’ny lafiny be dia be. Ohatra, ny governora dia tsy anaty lalampanorenana fa ataony letrezana fotsiny. Talohan’ny “feuille de route” no nanaovana ny lalana mifehy ny antoko sy sata mifehy ny mpanohitra. Tsy nokitihana mihitsy nefa dia izy indray no manitsakitsaka azy. Miisa 2 ihany no asan’ny HCC dia ny fanaraha-maso ny fampanarahan-dalàna sy mitsara ny fifidianana filohan’ny repoblika sy parlemantera. Niaraha-nahita anefa fa lasa parlemantera ny HCC. Raha jerena ny lalàna mifehy ny fifidianana 2018-08 ny 11 may 2018 dia nitsakitsahin’ny HCC. Be dia be no nokatsanany tao amin’ny fehin-kevitra fototra na “texte original” vao lany tany amin’ny parlemanta. Tokony nataony dia naveriny tany amin’ny parlemanta hoe ireto misy tsy mety tokony ovana fa tsy tonga dia nokatsakatsanana. Nisy ankoatran’izay ny fanapahana laharana faha 18 HCC/D3 ny 25 may 2018 hoe ajanony ny asan’ny governemanta dia manangana governemantan’ny marimaritra iraisana ao anatin’ny 10 andro! Lasa mpanelanelana koa izany ny HCC. Ilay fomba fanendrena ny mpikamban’ny HCC sy CENI koa dia hitantsika io fa manome vahana ny fahefana mpanatanteraka ankehitriny. Ahoana no inoana fa tsy manana “dette morale” na valimbabena amin’izay nanendry azy ireo olona ireo? Tsy mety ilay rafitra eto ary tsy azo iainana intsony. Tsy azo ekena intsony ny itohizan’izany. Miantso ny herivelona rehetra izahay ary miantso ny FFKM hitarika ny adihevitra lalina hijerena ny hanitsiana izany rafitra rehetra izany, hoy hatrany izy ireo, no sady nanamafy fa tokony ravana ny HCC sy CENI.
J. Mirija sy TOky R
Legende: Niaraha-nijery ny horonan-tsary nirakitra ireo fiaikena nataon’ny filohan’ny HCC sy filoha lefitry ny CENI teo aloha
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap