airtel

Politique

30-déc-2024

Manizingizina ny TIM

« Mandresy ny kandidanay eto Iarivo, hijoro izahay… »

Sample post image

Nanamafy ireo tsy fetezan-javatra samihafa mikasika ny fifidianana ny Antoko TIM tamin’ny alalan’ny Sekretera

30-déc-2024

Jeneraliny Rina Randriamasinoro ny sabotsy teo, tamina fandaharana manokan’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Resaky ny moana sy ny marenina ny fifampiresahana tamin’ny CENI, raha ny nambaran’io tompon’andraikitry ny TIM io. Ahoana no hanaporofoana fa nisy nanao piraty ? Raha tena nisy an’izay dia tsy tafaverin’ny CENI sy tsy voahidiny fa olana anatiny tao, hoy ny TIM. Terena fotsiny ny namanay ho nanao an’iny, kanefa tsy tokony sy tsy manana « compétence » ny mpitandro filaminana hoe : nanao « piratage ». Nilaza fa tsy maintsy nanao tatitra tamin’ireo mpiara-miombon’antoka noho izany io antoko io. Na teo aza anefa ireny hosoka sy hala-bato ireny dia mandresy ny kandidanay eto Antananarivo, hoy i Rina Randriamasinoro. Niantso ny PNUD hanao « audit » na fitsirihana hanamarina hoe : tena nisy nanao an’izany ve satria tranonkala nandaniana volabe io, ka tsy tokony terena fotsiny hoe : ianao nanao an’izao, ianao niteny an’izao, dia tenenina hoe : ianao izany no nanao an’iny, hoy hatrany ny fanazavany naneho fa tsy tokony terena ho Atoa Jean Luce Randriamihoatra no atao sorona. Nampahatsiahy tantara moa ity Sekretera Jeneralin’ny TIM ity nilaza fa tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tao amin’ny CENI rehefa nisy antsapaka, dia tsy tao ny anaran’i Andry Rajoelina, fa avy eo nampidirina. Efa nisy an’izany satria nafana be ny fanenjehana mikasika ny efa fanariany ny zom-pirenena ary efa neverina ho tsy afaka ny ho kandida, izay vao nasisika ny anarny. « Ny fandikako azy, dia nisy vokatra 2 tao amin’ny CENI hoe : ny iray mandresy ny kandidam-panjakana, ary ny iray mandresy ny kandidanay », hoy i Rina Randriamasinoro. Nilaza moa ity farany, fa raha ny fandrahonana sy fampihorohoroana dia voalohany mety efa tsy tokony hiteny intsony. In-droa nanaovana fisamborana sy nampihorohoroana, kanefa raha tsy hijoro dia miandry an’iza hijoro ? Niantso fahasahiana ho an’ny olona ity farany, ka nilaza fa na inona na inona sakantsakana eto amin’ny Firenena dia an’ny vahoaka ny fahefana. Ny olona manao fampitahorana dia nampindramina fahefana. Samy tompon’andraikitra amin’ny ho avy, ny mpitondra no mahatonga ny olona misy, samia mijoro, aza matahotra fampitahorana, fa ny mitabe tsy lanin’ny mamba. Nilaza fa tsy maintsy mijoro ny TIM na inona na inona karazana antsojay sy faneriterena. Tsy maintsy mahazo fahefana no tanjona. Dia ahoana izany ny tohiny ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap