no ataon’ny fitondrana izay hifandrombonan’ny minisitra mandrafitra ny governemanta amin’izao fotoana hoy ny vondron’ny kandida androany tetsy amin’ny Le Louvre Antaninarenina. Nanova tanteraka ny toe-draharaha politika ihany koa iny, ka tsy maintsy miteny ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana satria misy zavatra vaovao nitranga mahakasika ny raharaha filohan’ny antenimierandoholona hoy ny vondron’ny kandida androany maraina teny amin’ny Le Louvre Antaninarenina. Manoloana ny Ampamoaka nataon’ny filohan’ny antenimierandoholona tao amin’ny fahitalavitra France 24 dia nanambara ireo vondron’ny kandida fa tena fanonganam-panjakana no nitranga, olona afaka nandray fahefana tsara raha araka ny nambarany ny filohan’ny antenimierandoholona, saingy noterena hanasonia taratasy manda izany fahefana izany izy ka ny governemanta no lasa mpitantana. Foana avokoa ny fanapahan-kevitra rehetra navoakan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) ny 9 septambra 2023, mikasika ny fanolorana ny fitantanana vonjimaika ny firenena amin’ny “gouvernement collégiale”. Manao antso amin’ny rehetra olom-pirenena, ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny herivelona,… mba tsy hanaiky ny zava-misy amin’ny firenena izao ny vondron’ny kandida. Nanamarika izy ireo fa noho ny antony manokana (pour des raisons particulières) no nambaran’ny filohan’ny antenimierandoholona fa antony tsy nandraisany ny fahefana,midika zavatra maro izany. Tokony miditra an-tsehatra avy hatrany manadihady ny fitsarana, hoy ny kandida 11 fa tsy tokony avela fotsiny ho amin’izao iny tranga iny. Nanameloka tanteraka ny governemanta izy ireo ary nampahatsiahy fa tsy vao sambany ny toe-javatra hafahafa niseho, izay mamotika ireo andrim-panjakana sy ny firenena. Potika ny antenimierampirenena tamin’ny fisakanana ny “motion de censure” nataon’ny Antenimierampirenena, izao dia potika ihany koa ny Antenimierandoholona, potika ny andrim-panjakana ara-miaramila,… hoy ny Firaisankinan’ny kandida.
RTT sy Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby