omaly hariva ny foibem-pilankevitry ny antoko politika MFM fa tsy miova amin’ny fanambarana nataony ny 23 septambra 2023 ny antoko mahakasika an’andriamatoa Rakotoniaina Pety. Mitazona ny fotokevitra ijoroany hatramin’ny 28 febroary 2021 ny MFM, hoy izy ireo tetsy Soanierana omaly. Ilaina ny fifampiresahan’ny samy malagasy. Diovina ny tokontany vao miroso amin’ny fifidianana. Olompirenena feno ireo kandida miisa 11 tafatambatra ho “collectifs des candidats” ireo. Manan-jo hampiasa malalaka ny zony mifanandrify amin’ny lalàna manan-kery ka ombanay manana eto amin’ny firenena fa tsy sanatria mpikomy tahaka ny fiheveran’ny mpitondra fanjakana azy. Manohana ny hetsiky ny firaisankinan’ireo kandida ny MFM ary mitaona ny rehetra hifanome tanana. Manao antsoavo amin’ny mpitandro filaminana mba handanjalanja ny baiko voarainy ny MFM. Tena hanatevina ny hetsiky ny kandida miisa 11 ny MFM ary manao antsoavo ny mpikatroka MFM rehetra handray ny torimarika sy baikom-pitolomana amin’izany! Mitovy ny hevitray hatramin’ny 2021 amin’izao fotoana izao ireo kandida 11 ka tolona iaraha-manana izy ity ka hifanome tanana isika. Fifampiresahana ihany no takian’ny MFM hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny hirariana dia ho anaty filaminana fa tsy sanatria korontana no hikarohana ny vahaolana. Tsy fahotana mahafaty ny fanemorana fifidianana. Matoky izahay fa olon-kendry ny FFKM ary tsy diso raha miantso fifampiresahana, hoy hatrany ny MFM.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby