dia tsy afaka ny hangiana manoloana ny fanohitohinana ny demokrasia ny Malagasy miara-miainga na MMM fa manao izao fanambarana manaraka izao, hoy ity antoko politika ity, ny sabotsy teo. Melohinay, hoy ny MMM, io fanambarana io satria fomba fanao efa nilaozan’ny toetr’andro tanteraka ny didin’ny be sandry sy ny famerana ny olompirenena haneho hevitra sy hifamory am-pilaminana, izay falalahana fototra arovan’ny andininy faha 20 amin’ny fanambarana mahakasika ny zon’olombelona sy ny andininy faha 10 amin’ny lalàmpanorenana malagasy. Tsy fanajana ny olom-boafidy, ben’ny tanàna, mpanolontsain’ny tanàna, solombavambahoaka ary loholona io fanambarana io satria adidin’izy ireo amin’ny maha olom-boafidy sy mpanao lalàna ny fanaovana tatitra amin’ireo olompirenena nifidy azy ireo. Ampahatsiahivinay ny filohan’ny repoblika, Rajoelina Andry, fa ny 17 janoary 2009 dia nametraka ny Kianjan’ny demokrasia ny tenany mba ho fiarovana fahalalahana maneho hevitra sy mifamory. Ankehitriny ny fitondram-panjakana tarihiny indray no manitsakitsaka izany fahalalahana izany. Ny politika dia tsy ferana amin’ny fakana fahefana fotsiny fa entina indrindra hijerena sy hampiharana izay hevitra heverina fa hahasoa ny fiainan’ny isan-tokantrano manoloana ny fahasahiranana isan-karazany, hoy hatrany ny MMM.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny