hoy ireo mpitarika antoko, mpiaradia amin’i Tahina Razafinjoelina nandray fitenenana teny Mahamasina. Amin’ny alalan’ity fifidianana ben’ny tanàna ity no hitondrantsika ny fanovana tena izy, hoy ry Constant Raveloson, Prezida Lala, Désiré Ranirisoa, Jean Jacques Ratsietison, Toavina Ralambomahay, Jean Jacques Ratsietison ary ny kandida Tahina Razafinjoelina. Miaraka be ny olona hanao fanovana fa tsy manao ranon’Ikopa ka hoe tonga namana vao mavomavo hoy izy ireo, ary tsy lova tsy mifindra ny fitantanana an’Antananarivo ka hoe hotantanana fianakaviana iray. Mazava ny hafatra : tsy miaraka amin’ny mpamitaka sy mpivarotra tanindrazana. Miasa isika hoy izy ireo mifanohana,mifanampy fa vitantsika io. Mpanohitra tena izy sahy mijoro hatrany isika ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka, hoy izy ireo.
RTT
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby