airtel

Politique

15-déc-2021

Politique

Marc Ravalomanana « Ampio aho hamonjy ny firenena »

Sample post image

Tanteraka ihany ny fihaonan’i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoakan’i Toliara, taorian’ny fanakanana tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny alahady 12 desambra teo.

15-déc-2021

 Na andro fiasana aza ny andro talata omaly 14 desambra, dia niseho ilay hoe: “Sioka tokana”, dia vory ny olona, izay voalaza fa tsy ny TIM sy ny RMDM ihany, fa misy antoko hafa, misy olon-tsotra manam-pitiavana, ka nisaoran’I Marc Ravalomanana tamin’ny fahatongavan’ireo olona maro be izay antony mampialona ny sasany, raha ny nambarany. Nisy ny famonoana ny omby saika hovonoina ny alahady teo. Naneho ny Filoha teo aloha, fa famitranam-pihavanana, fanadiovana izay rehetra lasa tany, ny disadisa nisy teo aloha no miseho. “Marina fa ny lasa tsy fanadino ny lasa, fa nisy tsy nifanandrify tamin’ny noeritreretina, nisy tsy nitovian-kevitra dia tezitra. Tsy misy tsy miady, fa izay to fo mamosavy, ary ny antsika dia toy ny adin’antsinanan-dàlana, fa tsarain-tsy vita, avela vita ho azy”, hoy I Marc Ravalomanana. Isan’ny lasibatry ny fandrobana tamin’ny 2009 moa ny Magro. Mety misy ny disadisa teo amin’ny vahoakan’I Toliara sy ny tenany, saingy miravona tanteraka, raha ny sara naseho omaly. Nambarany fa misy ny fitiavany manokana an’I Toliara, ary tamin’ny fahatanorany ny 16-21 taonany dia tany Toliara foana I Marc Ravalomanana nanao taksibrosy niaraka tamin’ny zokiny. “Tamin’izao nitondra ity firenena ity, dia ny làlana sy ny tanàna teto no namboariko voalohany, saingy io izy io simba fa tsy nisy mpikarakara”, hoy izy.
“TSY MAINTSY HOVONJENTSIKA NY FIRENENA”
Nilaza ny tenany fa latsaka anaty lavaka mangitsokitsoka ny firenena, raha tsy voavonjy haigana dia sempotra eo, maty eo, ka lohalaharana ny any Atsimo,… “Mila mpitarika tena manana traikefa, ary efa nilaza foana aho, fa vonona ary mbola vonona hitarika ny vahoaka Malagasy. Efa niteny aho fa ny andro sisa iainako dia atokako ho an’ny firenena. Faritra maro no nitsidihiko, ary mitaraina daholo. Tena sahirana sy mahantra, ary manana vahaolana aho. Ampio aho, fa tena hamonjy anareo hiala ao anatin’ny fahantrana lalina”, hoy I Marc Ravalomanana. Notsipihiny fa mila fahasahiana lalina, tsy olona hoe misy zavatra mipoapoaka ary, dia higoreraka hisitrika any, mila herim-po sy fahasahiana. Toa efa mampiomana ny mpomba azy amin’ny zavatra mety hiseho ny tenany. “Tsy maintsy miasa mafy isika fa tsy hanonofy sy hampanofinofisina, ary aza hatakalo vola sy fanomezana kely ny hoavinareo”, hoy I Marc Ravalomanana .
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy mitanila amin’ny kandidam-panjakana marina ve ny rafitra mpikarakara ny fifidianana ary

Card image cap
08-mai-2024

Nisokatra ofisialy omaly 07 mey 2024 ny fivoriana ara-potoanan’ireo andrim-panjakana

Card image cap
08-mai-2024

Tena tandidonin-doza ny boriborintany faha 4 satria Jiolahimboto no mibaiko ny sefo distrika sy ny prefe,

Card image cap
07-mai-2024

Roa andro mialohan’ny fanombohan’ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombavambahoaka,

Card image cap
07-mai-2024

Nanao fampahafantarana tetsy amin’ny Castelo motel Anosizato omaly ny sefo fokontany sy sefo fokontany

Card image cap
07-mai-2024

Hita fa tsy nahomby ny tetik'asa maro teto Antananarivo. Dibo-drano ny tanàna

Card image cap