airtel

Politique

03-oct-2022

Politique

Marc Ravalomanana « Aoka ny CENI hangarahara sy tsy hitanila »

Sample post image

Namory ireo mpitarika sy solontenan’ny mpikatroka TIM ny Birao politikan’ny TIM notarihin’ny Filohany Atoa Marc Ravalomanana ny sabotsy teo, nitondrana tatitra taorian’ny fiatrehan’ireo solontenan’ny Antoko ny fanoloran’ny

03-oct-2022

Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI ny rindram-baiko na “logiciel” hoenti-mikirakira ny lisi-pifidianana, nialohan’ny firosoana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitra na “réfonte éléctorale” izay nanomboka ny sabotsy 01 oktobra 2022. Tsy mahatoky ny rindram-baiko noho izy efa hita ny lesoka ny TIM, ary naneho fa na tsy manam-bola ny Fanjakana hividianana vaovao, na misy zavatra kotrehina ao. Na eo aza ny ahiahy sy ny adihevitra politika mandeha, nanentana TIM sy ny RMDM, ary ny olom-pirenena tsy ankanavaka handray anjara feno amin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ny antoko tamin’ny alalan’ny Filoha nasionaliny Marc Ravalomanana. “Hamafisinay fa ny fananana Lisitry ny mpifidy feno sy madio no antoka hahafahantsika manatanteraka fifidianana azo antoka sy hanome vokatra heken'ny rehetra. Manoloana ny maha zava-dehibe izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny Mpifidy izao dia mitaona ny rehetra handray andraikitra sy hanara-daläna izahay”, hoy i Marc Ravalomanana. Ho an'ny Mpikambana ao amin'ny Antoko TIM sy ny RMDM, nanainga azy rehetra mba handray anjara feno eo anivon'ny CLRE na ny Vaomiera Ifotony Misahana ny fanisana ny Mpifidy Hanara-maso ny fomba fiasa eo anivon'izany CLRE izany ny Filoha teo aloha, mba tsy hisian'ny fanavakavahana na izay mety ho tsy fanarahan-dalàna hafa. Hanara-maso ny “Opération jugements supplétifs” sy ny fanomezana karapanondro. Hanentana ny olona manan-jo hifidy rehetra hisoratra anarana ao anatin'ny Lisitry ny Mpifidy. Hitaky ny fanaovana peta-drindrina na famakiana eo anivon'ny Fivoriamben'ny Fokonolona ny Lisitry ny Mpifidy alohan'ny famaranana tanteraka hanao sy hanentana ny olona rehetra hanao fanamarihana sy fitarainana raha mahita tsy fahatomombanana ao anatin'ny lisitra (Doublon, Karapanondro mitovy laharana, Olona efa maty, tsy ampy taona, ..) mialohan’ny famaranana tanteraka ny lisitra. Nanentana ny olona hitondra tatitry ny mety ho tsy fanarahan-dalàna tsikariny ny Foiben’ny TIM.
AOKA NY CENI HANGARAHARA SY TSY HITANILA
Niantso ny tsy hisian’ny fiandaniana, mitaky mangarahara ary amin’ny ara-dalàna ho an’ny CENI ny TIM ao anatin’ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Miantso ny hamelana malalaka ireo solotenan'ny Antoko Politika eo anivon'ny CLRE hanao ny asany amin'ny fanaraha-maso. Manainga ny Solotenam-panjakana rehetra mba tsy hanao teritery na tsindry. Mitaona ny Mpitondra Fanjakana mba hamela malalaka ny Antoko Politika hisitraka ny Zo omen'ny Lalàna azy sy hanao ny adidiny amin'ny fanentanana ny vahoaka amin'ny alalan'ny famoriam-bahoaka sy ny haino aman-jery. Nanamafy ny antso hisian’ny fiaraha-midinika nasionaly na "Concertation nationale" andraisan'ny rehetra anjara hanatsarana ireo Lalàna sy Rafitra hifehy ny Fifidianana ny TIM izay nanitrikitrika fa tsy hahafahantsika hanatanteraka fifidianana madio sy hanome vokatra eken'ny rehetra raha ireo Lalàm-pifidianana misy ankehitriny ireo na dia hanana lisitry ny mpifidy madio sy feno ary isika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Nidina ifotony nanaramaso ny lisipifidianana teny amin’ny fokontany Andafiavaratra

Card image cap
27-mars-2024

Mbola tena marefo ny fiainan’ny antoko politika eto Madagasikara hoy Ramatoa Mireille Andriambolanoro,

Card image cap
27-mars-2024

Tsy mametram-panontaniana ve isika, hoy i Raobelina Andry avy ao amin’ny kolekitifa an’ny Malagasy hoe :

Card image cap
27-mars-2024

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

Card image cap
27-mars-2024

Vaovao politika nalaza tao anatin’ny 48ora farany ny fanambarana politika

Card image cap
27-mars-2024

Nisy ny tafa tamin’ny mpanao gazety nataona parlemantera vitsivitsy,

Card image cap