airtel

Politique

30-mai-2023

Politique

Marc Ravalomanana “Atambaro ny hery ho fanavotana ny firenena”

Sample post image

Niantso ho amin’ny famondronan-kery I Marc Ravalomanana ny sabotsy teo nandritra ny fihaonany tamin’ireo vahoaka TIM mpanara-dia azy teny amin’ny Distrikan’Antananarivo Avaradrano.

30-mai-2023

Naneho ity Filoha teo aloha ity, fa mila atambatra ny hery eo anatrehan’ny fanarenam-pirenena tokony hatao ka tsy tokony hisaratsaraka isika, haneho fiombonana. “Entano daholo ireo antoko, vondron’olona, fikambanana samihafa, firaisamonim-pirenena,… mba hiaraka amintsika, ampahafantaro ny olana mahazo ny vahoaka fa leo ny vahoaka. Aoka hahay hiaraka sy hiara-hiasa amin’izy ireo fa tsy vitantsika TIM irery ny fanarenana sy famahana olona”, hoy I Marc Ravalomanana. “Tsy mihembotra intsony isika, na tsy misy jiro, na simba ny lalana, na feno sakatsakana. Hanangana Firenena vanona izay manana olom-pirenena voahaja ny zo aman-kasiny isika. Antsika i Madagasikara, manana adidy sy andraikitra aminy sy amin'ny taranaka any aorina isika izao”, hoy hatrany ity Filoha mpanorina ny TIM ity, izay naneho eo anatrehan’ny adihevitra politika samihafa fa fifidianana ihany, ary amin’ity 2023 ity. Nampahatsiahy fa tsy hanaiky lembenana amin’ny tsy fahamarinana. Nahitsy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro nilaza fa tsy ho zaka intsony raha mbola izao fitondrana izao no mbola hotohizana 5 taona. “Efa tena leo, efa tena mankaleo ny zava-misy amin’izao. Tsy misy zavatra mandeha amin’ny tokony ho izy intsony, ary tsy misy zavatra hain’izao fitondrana izao raha tsy ny mampiditra ao anaty haizina. Tsy fahaizana mitantana izao. Mbola ho ekentsika ve ny hitohizan’izany ao anatin’ny 5 taona? Misaotra an’Andriamanitra fa mbola velon’aina, 4 volana sisa raha ela indrindra. Tsy olona tonga hiandrandra tombola sy vary tsinjo ireto vahoaka maro be ireto fa mangetaheta fiovana. Efa ela no niomanana ho an’ny 2023, ary tsy ireto ihany fa ny vahoaka Malagasy”, hoy I Rina Randriamasinoro. Samy nanao hetsika avokoa tamin’ny ankampobeny nandritra iny faran’ny herinandro iny ireo mpitarika antoko lehibe na politisianina malaza fa mety ho kandida Filoham-pirenena. Somary maherihery vaika ny kabary ara-politika.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap