airtel

Politique

15-sept-2023

Marc Ravalomanana

“Azo atao ny manangana fitsarana manokana hitsara ny fifidianana”

Sample post image

Nihaona tamin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena tamin’ny alalan’ny PNUD ireo kandida Filoham-pirenena

15-sept-2023

mametraka ahiahy amin’ny zotram-pifidianana omaly Andraharo, fihaonana naharitra ora iray. Nanao tatitra tamin’ny sehatra iraisam-pirenena mikasika ny zava-misy sy ny ahiahy. Ny PNUD rahateo dia isan’ny mpiara-miombon’antoka mivantana amin’ny fifidianana eto satria izy ohatra no voalaza fa hiantoka ny fanontana ny bileta tokana. Nihaona tamin’ny FFKM ihany koa avy eo, kandida 6 sy solontena no voalaza fa nandray anjara tamin’izany. Ny 2 tamin’ireo mpitarika ny FFKM ihany moa no afaka nandray azy ireo. Tsy nisy nipika, resaka, saingy naneho tamin’ny ambangovangony kosa ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa fandaminana ny fiainam-pirenena ankampobeny no antony. Tao anatin’izay no nanehoany, fa afaka hirosoana ny fananganana fitsarana manokana misahana ny fifidianana, hoy ireo kandida manohitra ny firotsahan’I Andry Rajoelina. “Azo ivalozana ny didin’ny HCC rehefa tena ifampiresahana, ahoana tamin’ny 2013 nisy an’ilay CES na Fitsarana manokana misahana ny fifidianana. Afaka miteny izy hoe: aleo hijanona amin’ny maha HCC anay izahay, fa manangana fitsarana misahana ny fifidianana hafa, azo ifampiresahana daholo izany”, hoy ny Marc Ravalomanana.Tao anatin’ny ampahan’ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny HCC omaly Atoa Florent Rakotoarisoa moa, dia naneho fa “tsy manda ny fifandaminana, izay hampilamina ny tany no atao, raha mampifanatona ny Raiamandreny am-panahy, tsy misy maniry ady, fa izay hampilamina no atao”. Nampahatsiahy, fa efa nisy làlana nivoaka ny lalàmpanorenana tahaka ny “pacte de responsabilité”, fa ny azy azy ireo tsy nisy an’izany tamin’ireo fanapahan-kevitra noraisiny raha ny nambarany.
Toky R

 

 

 

 

 

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap