airtel

Politique

30-déc-2022

Politique

Marc Ravalomanana “Efa vonona amin’ny tolom-piavotana ny vahoaka”

Sample post image

Nandritra ny lanonam-panokafana ny faha-50 taonan’ny Antoko MFM omaly no nilazan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa tena anaty krizy ny firenena noho ny tsy fahaiza-mitantana.

30-déc-2022

Matoa tsy voaloa ny karama dia tsy misy vola, hoy izy. “Ratsy fitantanana, gaboraraka, tsy misy fitsipika ifehezana ny fitantanam-bola. Tena zava-doza izany! Mety misy ny gaboraraka, ka samy maka ao, mety misy mahazo any, fa ny madinika no mizaka ny vokany. Mety ho tsy mahazo vola avy any ivelany, mety tsy manaiky ny any fa mitaky fanintsiana fomba fitantanana”, hoy ity Filoha ity. Nahitsy izy nilaza fa tena fadiranovana mila Famonjena ny Malagasy. “Teny mijaly sy tsy mihinan-kanina ny vahoaka, avy any Fianarantsoa sy Ambositra aho tena mbola tsy nahita tahaka izao aho. Safidin’ny Malagasy sisa, tsy hanaiky mihitsy ny fanitarana indray ny fe-potoana iasan’ny mpitondra, mila miray hina, mila vonona tokoa, mila mivonona makany amin’ilay tsara”, hoy ity Filoha teo aloha ity. Niantso ny rehetra hitondra am-bavaka ireo gadraina amin’ny andro fety izao ihany koa moa I Marc Ravalomanana. Ankoatra izay, naneho ihany koa ny tenany momba ny raharaham-pirenena, fa fandikan-dalàna mihoampampana ny fitsivalananana tamin’ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny solombambahoaka, izay nahavoatonontonona ny Filoham-pirenena. Zavatra tsy fanao ireny, fandikana lalàmpanorenana ankitsirano, efa tena famadihana tanindrazana satria Filoham-pirenena tsy mahazo miantso na mivory miaraka amin’ny solombavambahoaka, izay ilay fisaharam-pahefana, hoy I Marc Ravalomanana..
“VONONA AMIN’NY TOLOM-PIAVOTANA”
Nambaran’i Marc Ravalomanana fa efa vonona amin’ny tolom-piavotana ny vahoaka Malagasy amin’ny 2023. “Ny tolona amin’io taona ho avy io, ny fahitako azyy dia efa vonona daholo ny Malagasy. Voalohany aloha mila apetraka ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana mba handeha amin’ny fahamarinana. Efa vonona ny Malagasy hametraka tolom-piavotana hananganana firenena vanona”, hoy izy, izay naneho fa tsy maintsy misy ny fanantenana, famonjena farany. Naneho noho izany ity Filoha teo aloha ity, fa tsy maintsy hisy ny fikaonandoham-pirenena.



Nosivanina tsy napoitra tamin’ny vaovaon’ny TVM mihitsy moa sarin’I Marc Ravalomanana tamin’ity lanonana fanokafana ny faha-50 taonan'ny MFM ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap