airtel

Politique

26-avril-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Lasa fitaovana fanapenam-bava ny fahamehana”

Sample post image

Nomelohin’i Marc Ravalomanana sy ny RMDM tarihiny ny “décision interministérielle” nivoaka ny 22 aprily 2021

26-avril-2021

 

 izay mandrara ny fanehoan-kevitra sy ireo adi-hevitra politika any amin'ny haino aman-jery rehetra. “Manan-jo hahalala vaovao ny tsirairay. Tsy misy faneriterena mialoha azo ampiharina amin’ny fampahalalam-baovao amin’ny endriny rehetra ankoatra ireo izay mamoafady na mety hanohintohina ny filaminam-bahoaka. Zo ny fahalalahana amin’ny fampahalalam-baovao… Voarara amin’ny endriny rehetra ny sivana”, hoy I Marc Ravalomanana mampahatsiahy ny andinin’ny faha-11 amin’ny lalàmpanorenana. Fanaovana didy jadona an-kitsirano ary famotehana tanteraka ny demokrasia izay vao mitsiry, hoy ny fanambarana.Tena sahirana ny Malagasy, saingy ny vahaolana hitan'ny fanjakana dia ny fanapenam-bava ireo olona mbola afaka miteny sy maneho hevitra, ka tsy azo ekena mihintsy izany hoy ny fanambarana. Ny fahamehana ara-pahasalamana dia tsy tokony atao fitaovana hanitsakitsahina sy hanapotehana ny demokrasia ary ny zo fototra dia ny fahalalahana maneho hevitra izany, hoy ny Filohan’ny RMDM. Aoka ny mpitondra tsy hanafina ny tsy fahaizany, ny tsy fahombiazany ary ny fitavozavozany amin'ny fanapenam-bava ny olom-pirenena toy izao. Hamafisinay indray famelohinay ary toherinay amin'ny fomba rehetra izao fanapahan- kevitra diso sy fanaovana didy jadona izao hoy i Marc Ravalomanana.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap