airtel

Politique

09-janv-2023

Politique

Marc Ravalomanana Nihaona tamin’ny lehiben’ny FFKM sy lehiben’ny Silamo

Sample post image

Ankoatra ny fihaonana ara-politika samihafa, nihaona tamin’ireo herivelona samihafa toy ny fiangonana sy ny Raiamandreny am-panahy I Marc Ravalomanana tamin’iny faran’ny herinandro iny. Raha ny sary nivoaka omaly,

09-janv-2023

nisy ny fihaonany tamin'ireo Raiamandreny am-panahy, ny lehiben'ny FFKM sy ny lehiben'ny Silamo teny amin'ny seranam-piaramanidina. Isan’ny manana andraikitra lehibe amin’ny raharaham-pirenena sy ny toe-draharaha politika eto amin’ny tany sy ny firenena ny Raiamandreny ara-panahy sy ara-pinoana, ka andrasana ny tena fidirana an-tsehatr’izy ireo eo anatrehan’ny loza sy olana amin’ny endriny samihafa mahazo ny firenena. Maro rahateo no miandry sy miandrandra azy ireo hoe : inona no azony atao amin’ny maha « autorité morale» na olona to teny sy manana ny lanjany eto amin’ny tany sy ny firenena azy ireo?
“TAONAN’NY FANAVAOZANA SY FANOVANA NY 2023”
Manamafy ny fihaonana amin’ireo mpanara-dia azy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ho fanomanana ny fiatrehana ny fifidianana, izay hatao amin’ity taona 2023 ity, raha tsy misy ny fiovana. Na mbola tsy marin-toerana aza ny tetiandro mazava sy ny hoenti-manana ara-bola hanaovana fifidianana, manome toromarika hatrany ireo mpomba azy hisoratra anarana sy hanara-maso tanteraka ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana I Marc Ravalomanana. Manome toky hatrany ireo mpomba azy fa tena hanao, ary tsy hanaiky lembenana intsony tahaka ny tamin’ny 2009 sy 2018. Ny faran’ny herinandro teo, niazo an’Atsiranana indray ny Filoha teo aloha, nihaona tamin’ireo mpikatroka TIM izay tafavory noho ny fanamarihana ny faha-20 taonan’io Antoko io. Tany an-toerana no nisantarana ny kongresim-paritry ny Antoko TIM ho an’ity 2023 ity, ary nandritra io no nilazan’I Marc Ravalomanana fa taonan’ny fanavaozana sy fanovana ny 2023, tsapako ary hitako ny manjo ny Malagasy. « Vaovao ny taona ka tsy maintsy havaozina ny fanantenan’ny Malagasy, tsy sahaza ny Malagasy izao fahapotehana izao », hoy ity Filoha teo aloha ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap