airtel

Politique

13-déc-2021

Politique

Marc Ravalomanana « Nohitsakitsahina tanteraka ny zoko »

Sample post image

Namoaka fanambarana i Marc Ravalomanana omaly 12 desambra takariva taorian’ny toe-javatra niseho tao Toliara.

13-déc-2021

« Ny lalàmpanorenana dia miantoka ny zo fototra sy ny fahalalahan’ny tsirairay, ka isan’izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny zo afaka hivezivezy malalaka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara. Mampalahelo anefa fa ny 12 desambra 2021 fitsingerenan’ny taona nahaterahako, dia nohitsakitsahina tanteraka ny zo maha olom-pirenena ahy. Manana ny zoko hikarakara fetim-pankalazana ny tsingerin-taona nahaterahako miaraka amin’ny mpiray tanindrazana amina toerana tsy miankina izay ahy eto Toliara aho. Ny fampiasana ny zandarimaria nanakana ny fidiran’ny mpiray tanindrazana amiko hiditra tao amin’ny faritry ny Magro, dia fanararaotam-pahefana goavana nataon’ny Fitondrana. Noho izany, ny zava-miseho amin’izao fotoana izao, dia fanitsakitsahana goavana sy miverimberina ny lalàmpanorenana. Noho ny zava-nitranga, manameloka tanteraka sy amin’ny fomba hentitra ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny olom-pirenena ataon’ny Fitondrana ankehitriny aho, ary indrindra ny herisetra tsy hita pesimpesina nampanaovina ny zandarimaria eto Toliara », hoy Marc Ravalomanana omaly takariva.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap