airtel

Politique

03-mai-2022

Politique

Marc Ravalomanana "Sahia, mandresy no toromarika"

Sample post image

Nanakoako tany amin’ny Faritra Alaotra ny “Ka sahia handeha hiara-dia aza kanosa fa avia, Ravalomanana hitondra antsika a! Mandroso ny toromarika”, hira fanevan’ny Antoko Tiako I Madagasikara ny faran’ny herinandro teo.

03-mai-2022

Naneho ny heriny tany an-toerana ny TIM tarihin’i Marc Ravalomanana, izay ao anatin’ny fameloma-maso ny Antoko amin’izao. Vahoaka sesehena no namaly ny antson’ny TIM toy ny tany Ambatomainty Amparafaravola, Amparamanina, Ambatondrazaka,… toa naneho fa vonona ny hamerina ny Fitondrana eo am-pelantanan’I Marc Ravalomanana, fa tsy araka ny fanaratsiana sesilany natao azy tany Alaotra. Nahitsy I Marc Ravalomanana naneho, fa sahirana ny ankamaroan’ny olona, tsy misy ny fanajana ny demokrasia, tsy misy fanajana ny lalàna sy lalàmpanorenana, tsy misy mijery ny tantsaha. Miaina amin’ny tany be tebiteby anjakan’ny tsy fandriampahalemana. Sady noana no mahantra, tsy mahita izay hosamborina, afaka mitsabo tena,… ka mila havotana. Naneho izy fa tena hanao izay azony atao, “olon-tokana mahavotra firenena fa minoa hay”, hoy izy. Nampahatsiahy fa nampiakatra ny toekarena, nampiakanjo ny ankizy, nanome “kits scolaires” ny ankizy, nahazo ny fanabeazana ho an’ny rehetra, ny làlana vita fa tsy tahaka ny amin’izao, tamin’izany tsy fantatsika izany delestazy izany,... Raha tsy ny tantsaha no hatao laharam-pahamehana, dia tsy handroso izany. Ny tantsaha no atao lohalaharana amin’ny programa hifampiresahana amin’ny mpamatsy vola, araka ny fanambarany. Nilaza ny hanao ny programa MAP 3 na MAP 4 i Marc Ravalomanana, ka nanamafy hatrany fa hainy ny mandresy lahatra ny mpamatsy vola hoe: betsaka ny mahantra any aminay, olona 2 na 3% no mifehy ny toekarena. Homena azy ny masom-boly, milina famokarana toy ny Kubota. Tokony harovana ny mpamboly, amboarina ny tohodrano, izaho mba niresaka taminy hoe: “damn”, izy indray no gaga, hoy izy nampahatsiahy ny propagandy 2018. Teknika fanaon’ny olona any Turquie, Inde, Allemagne,… io saingy tsy takatry ny Fitondrana ankehitriny. Ny resaka fandriampahalemana, nilaza ny ary tsy hisangy amin’io izy. Tena hapetraka ho tandroka aron’ny vozona ny foloalindahy, fa lasa any amin’ny resaka politika, hatramin’izaho sakanany, hoy ny Filoha teo aoha.
“AOKA TSY HO VOAFITAKA INTSONY”
Mila mamerina na manohy ny zava-bitantsika teo aloha isika, mila mandinika sy mieritritra tsara mba tsy ho voavidin’ny vary 1 kapoaka na vola 5000 Ar fa ampy izay, ary nahafahana naka lesona angamba ireny, hoy i Marc Ravalomanana… “Ny voafitaka indray mandeha tsy maninona, ny voafitaka faharoa tsy ekena intsoy. Tsy very ny fanantenana, vonona i Dada amin’ny fampandrosoana, tandremana tsara, fa olona iray mahaova firenena. Raha vao mandray fanapahan-kevitra any amin’ny tsy izy dia lasa fadiranovana. Fa raha kosa manana traikefa, olona nomen’Andriamanitra tsodrano, dia miakatra ny firenena”, hoy izy. “Efa niniana taminareo aho, efa nilaza tamin’Andriamanitra am-bavaka hoe: raha mbola misy andro omenao ahy dia hanompo ireto vahoaka ireto ao”, hoy hatrany ny Filoha teo aloha. Niara-dia taminy sy ireo mpikambana sasany amin’ny Birao politika notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny TIM ireo Depiote avy amin’ny Miara-manonja 2 ahitana an-dry Fidèle Razara Pierre, Hanitra Razafimanantsoa,… Fanirian’ireo mihitsy ny mahita anay sy Maitre Hanitra hoe: lasa nankary hono. Efa tany aminareo izahay no niala ary raha tiako tany nipetraka tany aho, hoy i Fidèle Razara Pierre izay naneho fa tokotanin’ny TIM ny Faritra Alaotra, ary haka fitondrana izy ireo.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap