airtel

Politique

15-nov-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy ampahafirin’ny mafy io, tsy matahotra azy aho”

Sample post image

Tsy nitsitsy fitenenana i Marc Ravalomanana ny sabotsy 13 novambra naneho ny tsy fihetezana sy ny lesoka maro amin’ny fitantanana ny firenena, miaraka amin’ny kajikajy politika.

15-nov-2021

Nihaino ny tenin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina amin’ny resaka toekarena sosialy, ary miombon-kevitra fa tsy misy mihitsy ny fahalalahan’ny fandraharahana, tsy mitovy ny fitantanana ny mpandraharaha. Raha azy no manao fandikan-dalàna tsy maninona, fa raha ny hafa mahita faisana, gadraina, tsy voahaja ny zo aman-kasin’ny olona, mba Praiminisitra teo aloha ihany, mba Tale jeneraly ihany,…”, hoy I Marc Ravalomanana, izay voaasa nanotrona ny famelaberana narahina adihevitra nataon’ny Vondrona Panorama, teny amin’ny Carlton Anosy. “Mijoroa hatramin’ny farany, ary tena hanampy anareo mihitsy aho hoe: inona no tokony hijoroantsika, fa vitantsika io. Tsy fahafirin’izay mafy indrindra io ka hoe mamahan-dainga ny vahoaka, koa dia heverinareo fa inona loatra ny Malagasy ka any an-dafy no mitady mpanolon-tsaina, tsy mbola misy firenena eto an-tany ka hoe: banky ny fananantsika. Nahitsy izy nilaza fa tsy hoe mihemotra fotsiny I Madagasikara, fa efa tena ao anaty lavaka. Tokony ho tsapan’ireo mpitondra ireo, tsy manana ilay fahaiza-manao intsony izy hoentina mitantana ilay firenena. Ankoatra izay, naneho ity Filoha teo aloha ity fa mbola vonona hifanandrina amin’ny Filoha am-perin’asa. “Filàna kisa na “provocation” no ataony isan’andro, izaho ataony isan’andro io tsy matahotra azy mihitsy aho, ary fantatro ny “capacité”-ako, fantatro ny zavatra nataoko. Ilay olona tsy mahatanty dia izay daholo no hanaovany azy. Hifanandrina aminy mihitsy aho, ary raha mbola misy hafa ihany koa aza hifanandrina aminay. Inona no atahorana hifanandrina aminy? Mandainga izao!”, hoy I Marc Ravalomanana .


Nanipika kosa anefa izy eo anatrehan’ny fanontaniana hisian’ny fanambaran-kery amin’ny fifidianana fa fifidianana izany mbola ho ela, fa ny hitambaran’ny mpanohitra amin’izao dia ny hoe: tsy mety ny fepetra hoentina mandeha amin’izany fifidianana izany. Tsy misy tsy mahita ary tsy misy tsy mahalala, fa tsy mahaleo tena ny CENI sy ny HCC, fa an’ny fitondrana ankehitriny daholo, ary tonga dia “azo raisina fa tsy mitombina” ny an’ny mpanohitra.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap