airtel

Politique

29-nov-2021

Politique

Marc Ravalomanana “Tsy hanaiky lembenana intsony isika”

Sample post image

Tsy nitsitsy fitenenanana i Marc Ravalomanana ny sabotsy teo nandritra ny hetsika fameloma-maso n any Redynamisation ho an’ny Atoko TIM ao amin’ny Boribotintany I eto Antananarivo,

29-nov-2021

 fa sahirana ny vahoaka satria ny fitondrana izay tokony hitsinjo sy hiaro azy indray no lasa manadino sy tsy miraharaha azy. “Tsy hitanondrika lava eto anefa isika fa tsy maintsy mijoro handresy izany fahasahiranana izany satria misy farany daholo ny zava-drehetra, ary raha mbola ihany koa ny farany tsy ho foana ny fanantenana”, hoy ny Filoha teo aloha.,… Nambarany fa tsy ho maizina lava eto ny fiainan’ny vahoaka Malagasy fa mbola hisy ny masoandro mihiratra ahafahan’ny tsirairay misitraka izay tandrify azy. “Tsy maintsy ho sahy anefa isika hijoro hiaro ny fahamarinana, sahy mijoro mamaky bantsilana ny tsy mety, hoy I Marc Ravalomanana izay nanentana ny mpanohana azy haranara-maso ny lisi-pifidianana rehefa manome toromarika ny fokontany. “Tsy hanaiky lembenana intsony satria ny rafitra napetraka hikarakaraka sy hikirakira ny fifidianana, dia tsy hahaleo tena mihitsy raha mbola io ny endriny io. Tsy hanaiky izany, fa mitaky, ary miantso ny fianakaviam-be iraisam-pirenena”, hoy ny Filoha teo aloha. Niantso ny olona tsy hanaiky hovidiana amin’ny volakely tsy mahavita taona ihany koa izy ka niantso ny rehetra mba hijoro ary tena ho resy lahatra satria manapotika ny hoavinao iny volakely na zavatra kely noraisinao iny, hoy izy. Tsy nihambahamba ny tenany nilaza fa manana paikady hafahafa ny Fitondrana ankehitriny amin’izao fotoana izao, ary fantatra fa matoa manome baiko midina amin’ireo governora ireo, raha ny nambarany. Samy sahy mijoro hamaky bantsilana, entano ny mpiara-belona fa tsy maintsy mandresy isika satria momba antsika mandrakariva Andriamanitra, hoy I Marc Ravalomanana.

Mikasika ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana kosa, dia nambarany fa efa niteny ireo solombavambahoaka fa tsy ara-dalàna io, tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitra iorenan’ny lalàmpanorenana. “Na na ny endriny (forme) aloha dia efa tsy mety, ny votoatiny (fond) vao mainka loza. Efatra andro no nandinihana boky be iny. Tian-kano tsy tian-kano fotsiny, tsy mety io, ary mamitaka vahoaka ny filazana fa hiabo na “positif” io amin’ny 2022, hoy ny Filoha teo aloha.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap