Efa nihatrana ny mpitandro ny filaminana, saingy afaka nanao ny fihaonana tao amin’ny Cercle Chinois Sambava ihany ity Filoha ity sy ireo mpiara-dia aminy. Nandritra io no nilazany, fa potika tanteraka ny sehatry ny lavanila, ny tantsaha no mizaka ny tsy eran’ny aina, tsy ekena ny ampihimamba fa mila olona mahay sy mahalala ary mahavita ilay sehatra. “Tsy miova ny vidin’ny lavanila any ivelany, fa isika no korontanin’ny olona hifehezany ny vidiny. Mila halalahana mba hisian’ny fifaninana malalaka. Vola samy manana fa ny isany no tsy mitovy”, hoy I Marc Ravalomanana. Raha tsy hay tsara, hoy izy, ny mitazona ny maha voalohany an’I Madagasikara sy ny maha Renivohitry ny lavanila ny faritra SAVA dia hosongonan’ny olona isika. Nahitsy ity Filoha teo aloha ity nilaza fa tsy izay rehetra tonga any dia hibotsimbotsina ho dia mahay, fa tena mila mahalala sy mahay ary mahavita. Momba ny politikam-pitantanana ny firenena, naneho I Marc Ravalomanana, fa mifameno ny Malagasy, ary rehefa mandroso ny faritra tsirairay dia mandroso i Madagasikara. Ny fahasamihafana no harena voalohany mampandroso ka tsy tokony hanaiky hozarazaraina amin’ny resaka fihaviana ny Malagasy iray na avy any Atsimo na Avaratra na Andrefana na Atsinanana na afovoany teo anatrehan’ilay kabarin’ny olom-boafidy IRD nilaza fa tsy “tsy olona boaka atimo no hankadala ny any Avaratra”. Ny tsikaritra dia toa hifanotofan’ireo mpanao politika heverina sy tombanana fa ho kandida Filoham-pirenena ny Faritra SAVA. Vao tsy ela no tany i Andry Rajoelina, toa nifanontona taminy tany i Siteny Randrianasoloniaiko, ary taorian’izay dia nigadona ihany koa i Marc Ravalomanana.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby