airtel

Politique

27-mai-2022

Politique

Mbola Rajaonah Fonja no fonenany raha mbola Mapar ny fitondrana

Sample post image

Nanomboka ny 24 may lasa teo no notsaraina teny amin’ny Fitsarana momba ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle Anti-Corruption) eny 67 ha ny mpandraharaha ara-toekarena Mbola Rajaonah.

27-mai-2022

Nitohy ny alarobia, ary omaly alakamisy 26 may 2022 maraina tamin’ny 5ora sy sasany tany ho any no nivoaka ny didy taorian’ny fitsarana naharitra 20ora. Nohampangaina ho nanao kolikoly sy nampiditra entana antsokosoko tao amin'ny fadintseranana, ary tsy nanefa hetram-panjakana ity mpandraharaha ity. Heloka voalaza fa niseho teo anelanelan’ny 2014-2018. Nohelohina higadra 5 taona an-tranomaizina sy handoa onitra 27 miliara Ar mahery (27.177.963.488 Ar) amin’ny Fanjakana ny tenany. Sazy mihantona 1 taona avy kosa no azon'ireo Transitaire miisa 5 voalaza fa niray tsikombakomba taminy, ary iarahan’izy ireo amin’i Mbola Rajaonah ilay fandoavana onitra 27 miliara Ariary. Afaka madiodio kosa ireo mpiasan’ny ladoany nampanantsoina, izay natao vavolombelona ny ankamaroany.

TSY HO AFA-BELA ?
Tsiahivina fa ny 13 febroary 2019, tsy ampy iray volana taorian’ny nandraisan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina fahefana no nosamborina teny amin’ny toeram-piasany teny Antsahabe i Mbola Rajaonah, ary ny ampitson’io no nadoboka teny Tsiafahy, ny faramparan’ny volana martsa teo dia nafindra tany amin’ny Fonja tsara ambina eny Imerintsiatosika. Ny 11 martsa 2022 teo, nanao ampamoaka ny mpisolovava Maître Eric Rafidison, fa ny alin’ny fisamborana, dia nisy ny fampiantsoana azy, nolazaina fa ny minisitra no nitady azy. Rehefa tany amin’ilay toerana anefa olon-kafa no tao, olona manana ny maha izy azy any amin’ny Fitondrana. « Ny zavatra nolazaina ahy tamin’izay dia hoe asaivo mandoa vola 10 milliards Atoa Mbola Rajaonah dia tsy mifanala "plume" isika, ary izay mihitsy no voambolana nampiasaina». Ny resaka hafa moa, dia hoe: atahorana hanelingelina ny fitondrana, hampiasa vola amin’ny politika i Mbola Rajaonah ka tehirizina any am-ponja, ary tsy hamelana raha tsy 0ar. Tsara ny mampahatsiahy, fa mpanolontsain’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina i Mbola Rajaonah. Mpandrahara isan’ny natanjaka sy nahazo vahana noho izy akaiky ny fitondrana, ary voatonontonona tamina heloka ara-toekarena samihafa. Na izany aza, heverina fa misy ihany ny antony ara-politika. Nisafidy ny hanohana ny kandida Marc Ravalomanana mantsy ny tenany tamin’ny fihodinana faharoan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Nanohana ara-bola sy ara-pitaovana ny kandinda N°25 ka heverin’ny fa isan’ny antony hankahalan’ny Fanjakana volomboasary azy, ankoatra ny mety efa lonilony fony izy tao anatin’ny Fanjakana HVM. Ny febroary 2024 vao ho tafavoaka ny fonja raha ity didy ity. Raha zohiana amin’io, tsy ho tafavoaka ny fonja raha mbola i Andry Rajoelina sy ny ekipany no eo amin’ny fitondrana, ao anatin’ny fe-potoam-piasana iray maharitra 5 taona, ary mitovitovy amin’ny an’i Rolly Mercia Minisitry ny serasera teo aloha izay notorian’ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga ny fotoana hivoahany ny fonja.
Toky R

Légende: Mbola Rajaonah tetsy Mahamasina ny 03 novambra 2018 nandritra ny faradoboky ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap