tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Politique

Mediatioran’ny Repoblika “Mila hadika amin’ny teny Malagasy ny didy aman-dalàna”

Nitombo ny isan’ny fitarainana tao anatin’ny herintaona voarain’ny Médiature de la République izay Sampan-draharaham-panjakana Mpiahy ny ara-drariny sy miaro ny zon'ny vahoaka,

15-déc-2022

Sample post image

araka ny tatitra ofisialy navoakan’izy ireo omaly 14 desambra 2022. Raha toa ka 113 tamin’ny taona 2018, ny 2019 niisa 283, ny 2020 niisa 196, dia nahatratra 474 tao anatin’ny herintaona farany, dia ny volana jona 2021 hatramin'ny volana septambra 2022, araka ny tatitra isan-taonan'ny asa vitany. Anisan'ny nahitana olana ny ady tany, ny fisotron-dronono sy ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa tsy miankina, ny olan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fitarainana amin'ny fanamparam-pahefana ataon'ny mpitandro filaminana, ny tsy fanatanterahana ny didim-pitsarana, fandavana ny zon'ny olom-pirenena ary ny fihoaram-pefy, trosan’ny vondrom-bahoaka, trosan’ny fanjakana foibe, fanararaotam-pahefana,... Azo lazaina fa ny antsasa-manila no efa nahitana vahaolana ihany saingy arakaraka ny toe-draharaha satria mila fanadihadiana sy fitadiavana ny rariny sy ny hitsiny , raha ny fanazavana. Nambaran’ny Mediatoran’ny Repoblika Me Lala Ratsirahonana fa “maro ireo lalàna efa nilaozan’ny toetr’andro, maro ireo sehatra mbola ilantsika lalàna vahiny efa lany andro, maro ireo lalàna tsy nanaovana didim-panjakana tsy misy didy fampiharana ka sarotra ny mampihatra azy na tsy mihatra mihitsy aloha, maro ny tokony handravonana lalàna sy didy noho fisavoritahan’ny lalàna maro mila fandravonana, maro ireo seha-pihariana mbola tsy voafehin’ny lalàna,… Lasa sakana amin’ny fampandrosoana satria tsy ahitantsika vahaolana”. Tahaka izany ihany koa ny famerenana amin’ny Malagasy ny tany nobodoin’ny mpanjanaka fahiny, izay nilazan’ny Me Lala Ratsirahonana fa mieritreritra ny Mediatiora fa tonga ny fotoana tokony handikana amin’ny teny Malagasy ny didy aman-dalàna izay manan-kery eto amin’ny tany sy ny Fanjakana. “Ny tsy fahazoan’ny olona ilay lalàna izay tononina amin’ny teny Frantsay, ny didim-pitsarana mivoaka amin’ny teny Frantsay dia miteraka ahiahy tsy hihavanana amin’ny mpiray tanindrazana”, hoy hatrany ny Mediatoran’ny Repoblika Me Lala Ratsirahonana. Notsipihiny fa mila fanabeazana ny vahoaka malagasy eo amin'ny sehatry ny lalàna mba hisian'ny fifampitokisana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana
27-mars-2023

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

Card image cap
Hary Razafindrazaka « Mitsangana manohitra amin’ny hevitra fa tsy herisetra »
27-mars-2023

Mampalahelo ny hoe ny fanaovana T shirt Andry Rajoelina no hoe nidarohana ilay mpamily Bajaja, hoy ny filoha lefitry ny antoko politika, Leader Fanilo teo aloha, Hary Razafindrazaka.

Card image cap
RMDM, PANORAMA, HVM, HIFIM,… “Mandeha ila ary vao mainka hiteraka krizy io CENI io”
27-mars-2023

Voaporofo mazava fa tsy vita maimaika ao anatin’ny 3 volana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fa mila 8

Card image cap
Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?
27-mars-2023

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

Card image cap
Famoriam-bahoaka Nafampana ny tany Mananjary
27-mars-2023

Nafampana ny famoriam-bahoaka nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko sy ny ekipany tany Mananjary ny sabotsy teo.

Card image cap
Andry Rajoelina Miezaka maka ny fon’ny tanora indray
27-mars-2023

Ry tanora namako, natokako ho anareo ny andro androany, nihaonako taminareo ary nizarako ireo soatoavina tiako ho ampitaina aminareo, hoy ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, ny sabotsy teo teny amin’ny CCI Ivato.

Voir plus