no miverina satria ny filoha teo aloha ihany no miverina, ny praiminisitra efa teo aloha ihany, ny minisitra sasantsasany,… Ny HCC teo aloha ihany, ny CENI teo aloha ihany,… Tsy mahagaga raha tsy nisy fandrosoana tao anatin’ny 5 taona voalohany, ary izao manao fanamby anatin’ny 100 andro ka ho an’ny tenany sa ho an’ny vahoaka Malagasy ? Ho anay any Atsimo Atsinanana dia miala tsiny fa tena mihinana ny tsy fihinana ny vahoaka, nanomboka tany amin’ireo rivodoza Batsiray, Freddy,… », hoy Atoa Mektoub Omar El Camille mpanao politika, efa solombavambahoaka teo aloha, raha nivahiny tao amin’ny Top Radio 102.8FM omaly. Farantampony amin’ny fahantrana sy fahasahiranana izany mihinana viha izany, kanefa izany no mitranga, ary manamorona an’iny Pangalana iny dia tsy ahitana viha intsony, izay ny voniny no fihinana ary efa ny tena sahirana no mihinana, kanefa dia ny vodiny mihitsy no hoanina, andrahoina, hoy izy. Nahitsy izy nilaza fa ilay Madagasikara tsy maintsy mandroso dia mety ho an’ny mpitondra fa tsy ho an’ny vahoaka, ary ohatran’ny « slogan » fotsiny fa ilay fitondrana aza mihodinkodina fa tsy ao anatin’ilay hafainganam-pandeha « V ». Hatao inona ireo minisitra 20 mahery kanefa mbola hasiana sekreteram-panjakana ? Isika efa sahirana, ny vola tsy misy, ka nahoana no hampitomboina ny olona anaty governemanta satria mpikambana ao ihany ireo ? Nahitsy ny tenany nilaza fa tsy Madagasikara tsy maintsy mandroso, fa lasa Madagasikara tsy maintsy mihemotra satria na ny samy madinika aza mifanambaka noho ny fahantrana. Momba ny fifidianana, hiroso amin’ny fifidianana kanefa ny rafitra tsy miova, ka ny tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena ihany no hiverina eo, hoy izy. Aminy, raha ny lojika dia tokony hotohizan’ny Firaisankinan’ny kandida ilay fijoroana nataony hoe : tsy misy fifidianana tokony handeha raha tsy diovina sy am-pahamarinana sa lasa nadio tampoka ilay fifidianana ? Raha tena niray hina hoe : diovy ny fifidianana fa tsy nisy naningana, dia tsy tahaka izao, raha ny famakafakany. Nisy kandida nandeha nirotsaka, fa avy eo nitory, fa moa tsy ny vaton’i Siteny Randrianasoloniaiko indray no nesorina ? Ny zava-misy, dia misy dikany ny tenin’ny mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola na ny PTF hoe : izao ihany ny mpiasam-panjakana azonareo ampidirina. Tsy tena mahazo ilay fankatoavana io fitondrana io matoa misy ny kiserisery madinidinika, ary tsy mahamenatra izany fa tsy manam-bola io fitondrana io, hoy hatrany Atoa Mektoub Omar El Camille. Momba ny fitantanana, ny any ifotony no irotsaka hofidiana dia ny aty an-tampony no manapaka hoe : izao no anto-bola. Izy ireo izay ao anatin’ny AOM (Antenimieran’ny Olobe) fa Vondrom-bahoaka omem-pahefana, fa tsy vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Nomarihiny ohatra, fa manana ny harena rehetra vatosoa, volamena, lavanila, café,… ny faritra Vatovavy fa inona ny zavatra mba mitete aminy ?
Toky R
nambaran’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, omaly alakamisy 24 Aprily 2025,
Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay
Henjana sy nahitsy ny Filoha Kaomorianina tao anatin’ny lahateniny tao anatin’ny Fivoriamben’ny COI sady
Manoloana ny fitsidihana arapanjakana hataon 'ny filoha frantsay Emmanuel Macron
Mahafinaritra ny mahita ny tanàna madio sy milamina, hoy ny Kristianina
Tanterahana eto Madagasikara anio 24 aprily 2024 ny Fivoriamben’ny COI na Vaomieran’ny