airtel

Politique

03-mai-2023

Politique

Miadana Fabien Privat "Fahitalavim-panjakana aza tsy mandraharaha fifidianana"

Sample post image

Taom-pifidianana ity fa taona hanavaozana ny lisitry ny mpifidy koa, hoy ny avy eo anivon'ny fiarahamonim-pirenena ONG Tolontsoa.

03-mai-2023

1 volana sisa hananan'ny olompirenena mahafeno fepetra ho mpifidy hisoratana anarana eny anivon'ny fokontany, izany hoe ny 31 no farany, hoy ny filohan'izy ireo, Miadana Fabien Privat. Ny 10 jona no vita ny lisitra tena izy ho ampiasaina amin'ny fifidianana ho avy amin'ity taona ity. Andraikitry ny olompirenena no mampahafantatra ny olona izay vanim-potoana izay sy ny maha samihafa ny fanavaozana isan-taona ary fanavaozana tanteraka ny lisitra. Inona no fifidianana rehetra ho avy ankoatry ny filoham-pirenena? Anjaranay ny mampahafantatra izany. Eo koa ny antony hifidianana sy hanaraha-maso ny lisitra. Raha ny rafitra no tsy hitokisana dia inona ary ny sosokevitra? Ny fikaonan-doha, efa nanao ny CENI saingy tokony hisokatra ary hiha mafy ny seraserany. Mahagaga fa ny fifidianana dia raharaham-panjakana nefa na ny fahitalavim-panjakana aza tsy mandraharaha fifidianana fa segondra vitsy izany no hitanao ao, hoy hatrany ny tenany, nefa resaka COVID aza teo vitan'ny fitondram-panjakana ny nanao fanagiazana ny haino aman-jery rehetra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap