nitondra ny fanamafisam-peo, nisy ny nasaina niparitaka saingy tsy niala niaraka tamin’ny vava,... Fivorivoriana na "attroupement" no anenjehana azy ireo. Tsy afa-po moa ny mpisolovava ary nanao fanohanana na “opposition”. Maherin’ny 25 ireo mpisolovava vonona ny hiaro maimaipoana ireo olona voasambotra nandritra ny hetsiky ny Kandida 11. Tsy mbola niakatra fitsarana kosa ny raharaha momba ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro, herinandro mahery aty aoriana. Ity farany izay natao sambo-dokotra teo Andohan’Analakely raha izy nipetraka teo ambony vato tsy nanam-po na inona na inona iny, ka nilazan’ny mpisolovava ny faran’ny herinandro teo fa fisamborana tsy ara-dalàna satria tsy nisy “mandat d’arrêt” mazava avy amin’ny tonia mpampanoa lalàna, ary tsy tao anaty korontana rahateo no nisamborana azy izany hoe: tsy tratra am-bodiomby, kanefa ny vesatra dia hoe: famoriana olona tsy nahazoana alalana, fanakorontanana, fanompana sy faniratsirana mpitandro fikaminana. Tsy nandrenesam-peo ihany koa ny tena tohin’ny fisamborana ny mpiambina manokana an’Atoa Marc Ravalomanana izay nosamborina ny 02 oktobra lasa teo. Omaly, nosamborina teny Antaninarenina tahaka ireny misambotra jiolahy raindahiny ireny ihany koa ny mpiambina ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko. Tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, fiara nijanona teo amin’ny sisin-dàlana niandry ireo kandida no voalaza fa nanaovan’ny mpitandro filaminana be fiavy. Nambanana basy avy hatrany ireo mpiambina, ary nosamborina. Lasa ny vola sy ny entana, ary ny fiara nentina eny Fiadanana. Voalaza fa efa navotsotra ny fiara sy ny mpiambina iray. 5 izany izao ireo mpiambina kandida nosamborina, ary ny 1 ihany no efa votsotra. Ankoatra ny fisamborana samihafa, dia efa nisy ihany koa ny herisetra mahery vaika. Ny kandida Andry Raobelina izao dia voatery nalefa any ivelany, I Marc Ravalomanana izay sady Filoham-panjakana teo aloha noratraina teo amin’ny tongony sy sandriny,… Ampahany ihany ireny fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe: ao anatin’izao fihenjanana sy herisetra samihafa izao ve no hanaovana tery vay manta hanaovana fifidianana? Hampalefy ny tolona tokoa ve ireny sa vao mainka fanohitra hanamafy azy?
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny