airtel

Politique

09-mars-2021

Politique

Miara-manonja sy ny RMDM Nitoroka any amin’ny Sehatra Iraisam-pirenena

Sample post image

Nandefa taratasy any amin’ny Firenena Mikambana (ONU), fa indrindra ho an’ny Firenena

09-mars-2021

 

 

 

 Amerikanina ny Miara-manonja sy ny Vondron’ny Mpanohitra RMDM. Manabaribary fa anjakan’ny didy jadona eto Madagasikara, mamaly bantsilana ny fanamparam-pahefana ataon’ny Governemanta amin’ny vahoaka. Isan’ny voarakitra ao anatin’izany ny sakantsakana tamin’ny tsy fahafahan’ny olom-pirenena mivoaka sy miditra ny renivohitra tamin’ny alalan’ny fanakanana ny fitaterana; ny fanidiana ny Kianjan’ny demokrasia sy ny famoahana miaramila miaraka amin’ny fiara mifono vy sy fitaovam-piadiana samihafa teny amin’ny kianjan’ny 13 mey, nanitsakitsaka ny lalàmpanorenana tamin’ny fanakanana ireo olom-boafidy hanao tatitra amin’ny vahoaka; ny fisamborana sy fanagadrana ireo mpiara-dia tamin’ny “Miara-manonja” izay noho ny fanamiana muloko mena nanaovany. Amin’ny alalan’ny Miara-manonja sy ny RMDM ary ny vahoaka voakasika no nanoratana izany, ka miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hiditra an-tsehatra eo anatrehan’ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona miharihary, ny fanitsakitsahana ny demokrasia sy ny fahalalahana,… ny Mpanohitra. Manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana io, indrindra fa ny fisiana fisamborana sy fanagadrana ny 20 febroary ary mbola ny 06 aprily ny fitsarana raha tsy misy ny fiovana. Tsy tanàna nirehitra, tsy fivarotana voaroba, tsy korontana niseho,… saingy tsy nananan’ny Fanjakana Malagasy henamaso ny nampigadra vonjimaika noho ny firehan-kevitra tsy mitovy.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap