airtel

Politique

12-oct-2023

Miditra an-tsehatra ny ONU

“Melohina ny fampiasan-kery, halalao ny fanehoan-kevitra, mila fifidianana madio”

Sample post image

Manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara ny Firenena Mikambana.

12-oct-2023

Nilatsaka ny fanambarana sy fomba fijerin’io rafitra io tamin’ny alalan’I Seif Magango Mpitondra tenin’ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU, izay manara-maso ny zava-miseho sy ny raharaham-pifidianana. Hentitra ny fanambarana izay nilaza fa manahy mafy manoloana ny fiharatsian’ny toe-draharaha indrindra eo amin’ny lafiny fanajana zon’olombelona amin’izao vanim-potoana hanaovana ny latsa-bato afaka iray volana izao, eo anatrehan’ny fampiasan’ny mpitandro filaminana hery sy famoretana. Nahitsy ny ONU nilaza fa tena tsy ilaina, ary tsy mifanentana amin’ny zava-misy ny fampisan-kery nentina nanapariahana ny hetsi-bahoaka in’efatra izay nandeha am-pilaminana tao anatin’ny roa herinandro. Eo anatrehan’ny fiantombohan’ny fampielezan-kevitra, miantso ny manam-pahefana Malagasy hiantoka ny fanajana ny zon’olombelona sy ny Fanjakana tan-dalàna ao anatin’ny fanim-potoana mialoha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana ny ONU. Tokony hisy, hoy ity fanambarana nataon’ny Birao misahana ny zon’olombelona eo anivon’ny ONU ity ny toromarika mazava homena ny mpitandro filaminana mba hanajan’izy ireo ny zon’olombelona mba ho afaka haneho hevitra, hivondrona sy hivory, ary fepetra mendrika sy mifanentana amin’izany no hoentina miantsoroka azy,… mba hahafahana mametraka tontolo mifanaraka amin’ny fifidianana malalaka, tsy mitanila, ary mangarahara. Ny dingana hoenti-mitandro ny filaminam-bahoaka, toy ny filàna fahazoan-dàlana mba hahafahana manao fihetsiketsehana am-pilaminana dia tokony tsy hatao fitaovana hoentina mandà na manakivy amin’ny fahafahana manao famoriam-bahoaka am-pilaminana,. Notsikafonin’ny ONU fa ny fiantsoana fihetsiketsehana izay nataon’ny kandida 11 ny 2-3 oktobra teo dia naparitaky ny mpitandro filaminana izay nampiasa gazy mandatsa-dranomaso nentina nandratrana, ary nisy ihany koa ny fisamborana tsy ara-dalàna olona am-polony izay nanao fihetsiketsehana sy nandalo. Kandida miisa roa sy filoham-panjakana vonjimaika teo aloha no isan’ny naratra sy naiditra hopitaly. Tahaka izany koa ny 6-7 oktobra, dia nisy ihany koa ny famoretana tamin’ny gazy mandatsa-dranomaso sy fampiasana bala fingotra, ka nanamarihan’ny ONU fa olona 4 no lasibatra. Nisy ny fisamborana olona maro ka anisany ny Sekretera Jeneralin’ny Antoko iray mpanohitra. Tokony hiverina haingana ao anatin’ny lamina manaja ny lalàna manan-kery I Madagasikara, hoy hatrany ny ONU.

Tsara ny mampahatsiahy fa nanasonia ny Fifanekena Iraisam-pirenena Momba ny Zo Sivily sy Politika (Pacte International Relatif aux Droits Civils et Droits Politiques) i Madagasikara ny taona 1971. Efa miditra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena toe-draharaha eto, ka ny herinandron’ny 16 oktobra izao no fantatra fa ho avy eto ny iraky ny Troikan’ny SADC.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap