airtel

Politique

05-juil-2022

Politique

Miha mangotraka ny politika Ho tratry ny angaredona i Rajoelina…

Sample post image

Miha ratsy toerana hatrany ny Fanjakana Rajoelina, ary mitombo ny tsindry ara-politika ho azy.

05-juil-2022

Manomboka manambatra hery ny antoko politika mpanohitra samihafa, ary isan’izany ireo antoko sokajiana ho lehibe, tahaka ny TIM sy ny HVM. Na mbola tsy tonga any amin’ny resaka kandida iraisana amin’ny fifidianana aza, dia miray feo amin’ny tokony hametrahana fitsipi-dalao ara-demokratika mazava sy milamina mialohan’ny fifidianana, ary mitovy fijery fa tsy azo homena fahefana intsony I Andry Rajoelina. Ahiana hiverina ny sary tamin’ny 2018 nampiozongozona ny Filoha Rajaonarimampianina, ary niafara tamin’ny 8% tamin’ny fifidianana. Na handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena na tsia ny Fanjakana, heverina fa tsindry ara-politika goavana ho azy ireo izany, izay heverina fa tsy maintsy hiafara amin’ny fehin-kevitra ara-politika. Azo lazaina ho manana ny tanjany amin’ny resaka fandresen-dahatra iraisam-pirenena na “lobbying” na ny tarik’I Marc Ravalomanana na ny an’I Hery Rajaonarimampianina, kanefa na ny famatsiam-bola ny fifidianana aza hatreto mbola ilàna famatsiam-bola amin’ny any ivelany. Mazava fa ho sarotra amin’ny Fanjakana Rajoelina ny hanao fifidianana amboletra. Manampy trotraka izay, efa mandeha ny karazana toromarika politika samihafa, toy ny hoe: ampy izay ny fandeferana, tsy hisy hanaiky hala-bato intsony eo,… Ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia nilaza mihitsy ny sabotsy 02 jolay 2022 teo, fa tsy mafy noho ny tamin’ny 2002 io fanjakana ankehitriny, kanefa tsy misy maharesy vahoaka. Nanome toromarika ny mpomba azy ho mailo sy hiomana dieny izao ny pitsopitsony ara-pifidianana, toy ny fanamarinana anarana anaty lisitra, fanetsehana ireo rantsa-mangaikan’ny antokony,… I Marc Ravalomanana.
MIRAY FEO FA …
Tsy mbola tonga amin’ny hoe: iza no mety ho kandida iraisan’ny mpanohitra na hatosika ho filoham-pirenena, tsy misy resaka Ravalomanana na Rajaonarimampianina na olon-kafa na hasolo azy, fa hitovizan’ny ankolafin-kery samihafa eo amin’ny fanoherana kosa ny hoe: tsy azo homena fahefana intsony I Andry Rajoelina amin’ny fifidianana manaraka eo. Anton’io ny fihemorana sy fahapotehan’ny firenen nentiny hatramin’ny nitantanany firenena, niainga tany amin’ny tetezamita, nitohy tamin’izao fitondrana andalam-pifaranana izao. Miharihary ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fahazakana firenena ankoatra ny Fanjakana anjakan’ny afera sy kolikoly. Na ireo mpiara-dia politika taminy fahiny aza, betsaka no toa nisara-daàlana amin-dRajoelina. Misy ny any anatin’ny vondron’ny mpanohitra, tahaka an-dry Roland Ratsiraka ao anatin’ny Panorama, fa ao ihany koa no toa mandeha irery tahaka an-dry Hajo Andrianainarivelo. Malaza ny mety ho firotsahan’i Siteny Randrianasoloniaiko, izay tombanana hahazo vato betsaka any amin’ny tapany Atsimon’ny nosy izay nahazoan-dRajoelina vato betsaka indrindra. Eo ny mety hisian’ny angaredona politika, fa tsarain’ny karatra amin’ny vokatra azony ny Fanjakana Rajoelina, betsaka ny diso fanantenana,… ary ny varo azony tamin’ny 2018, raha ny lojika tsy hitombo fa hitotongana be raha fifidianana madio.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap