airtel

Politique

24-mars-2023

Politique

Miha mangotraka ny politika Mitaky fandrodanana ny HCC ny mpanohitra

Sample post image

Nafana ny fanambarana politika nataon’ireo depiote notronin’ny mpanao politika maro avy amin’ny mpanohitra omaly 23 martsa 2023 tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola,

24-mars-2023

teo anatrehan’ny fitsipahan’ny HCC ny fangatahana napetrak’izy ireo tamin’ny alalan’ny Filankevitra ambony momba ny fampanajana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED) mba hanamarinana ny fandikan-dalàna nataon’ny Filoham-pirenena, ka ahafahana mampiato azy amin’ny asany. Notsikafonin’izy ireo ny fanapahana faha-4 HCC/D3 mikasika ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Birao maharitra sasany ny 8 desambra nampitsaharana ny fitsipaham-pitokisana goverenamanta sy ny Fanitsakitsahan'ny Filoham-pirenena ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana, raha namory ireo depiote teny amin’ny Foiben’ny TGV tetsy amin’ny Arena Ivandry. Voahosihosy ny demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna, voahosihosy ny zo sy fahefan’ny solombavambahoaka hametraka tolo-kevitra fitsipaham-pitokisana araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana andininy faha-103, hoy izy ireo. Tsy namaly ny fanontaniana napetraka ny HCC fa namorona zavatra hafa tsy voasoratra ao amin’ny andininy faha-105 amin’ny fitsipika anatin’ny antenimiera,... Tsy miorina na amin’ny na amin’ny inona ny filazana fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny fanambaran’ny Filohan’ny Antenimiera sy ireo birao maharitra ny tsy hitohizan’ny fitsipaham-pitokisana, tsy voahaja ny tany tan-dalàna satria voahitsakitsaka ny fisaraham-pahefana, hoy ireo depiote. “Tsy mahatoky ny HCC izahay satria mampanahy ny firaisany tsikombakomba amin’ny fahefana mpanatanteraka ka tsy voaaro intsony ny lalàmpanorenana. Manahy ny tsy hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra izay làlana makany amin’ny krizy satria tsy ho azo antoka fa hitsara ara-drariny araka ny lalàna ireo fifidianana hifanesy eto amin’ny firenena ny HCC. Na dia tsy azo hivalozana aza ny fahefana napetraky ny HCC dia hita taratra fa tsy mahaleo tena io HCC io ary misarisary politika ny fanapahana raisiny”, hoy ireo depiote. Mitaky fepetra hisian’ny fifidianana madio sy mangaraharaha mba hisorohana ny krizy izay tsy ho zakan’ny firenena efa latsaka an-katerana ihany koa izy ireo araka ny fanambarany. Mitaky ny fampiharana ny Demokrasia satria efa tafahoatra ny didy jadona sy ny fanabadoana, ary miantso ny vahoaka sy ny Hery Velona rehetra hiaraka hitaky ny rariny sy ny fanajan'ny Filoha ny Lalàmpanorenana, hoy ireo depiote. Rehefa zohiana, mizotra makany amin’ny fitakiana ny fandravana sy fandrodanana ny HCC amin’ny endriny ankehitriny ireo depiote miara-dia amin’ny fanoherana.


Tazana teny amin’ny Le Hintsy moa ny Filoha teo roalahy Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, ny Filohan’ny Antoko MMM Hajo Andrianainarivelo, ary nahitana Depiote lany tamin’ny IRD dia Andriamiakatrarivo Pierrot voafidy tany Ifanadiana sy Andriambelosoa Heriniaina lany teny Avaradrano nanampy ny GPR, TIM,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap