airtel

Politique

21-sept-2022

Politique

Miha ratsy ny rivotra politika Mampanahy ny 2023

Sample post image

Miha ratsy ny rivotra politika eto amin’ny firenena ankehitriny ary azo lazaina ho mampanahy mihitsy ny andrandraina ho taom-pifidianana dia ny taona 2023 izany.

21-sept-2022

Izay raha fehezina ny sarisary hita hatreto. An-daniny, ireo herivelona ivelan’ny fitondrana, miantso efa ho isan’andro ny amin’ny tokony hanaovana faran’izay maika fikaonandoham-pirenena. An-kilany, ny ao anaty fitondrana sy ireo mpiaradia aminy, miventso lalandava fa miasa ny fitondrana, tokony himasoana ny fifidianana. Ao anatin’izany rehetra izany moa dia manao izay lazainy fa asany hatrany koa ny eo anivon’ny sampan-draharaha lazaina fa mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI. Mandeha ny azy ireo ny hoe fitetezam-paritra fanentanana ny mpifidy hanoratra ny anarany anaty lisitry ny mpifidy sy hanamarina izany. Milaza koa izy ireo fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fanadiovana izany lisitra izany sy ilay tontolom-pifidianana eto amin’ny firenena manontolo mihitsy. Nampiantso anefa izy ireo tery amin’ny Novotel Ivandry tery hoe andeha isika herivelona politika rehetra na antoko politika io na fiarahamonim-pirenena na vovonana politika hifampidinika momba ity fifidianana hoavy ity saingy naman’ny nandamoka izany. Tsy tonga tao ny mpikamban’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM sy ny avy eo anivon’ny vondrona Panorama. Na ireo tonga namaly ny antso aza nisy vaky vava hoe “vitsy isika prezida” mantsy ny filohan’ny CENI ankehitriny. Mbola nihatra tamin’ireny ny elanelana 1 metatra kanefa dia mbola nisy seza banga ihany. Mba nikarakara ilay antsoina hoe “Dinik’asa iombonana” tetsy amin’ny IT Behoririka koa ny avy aty amin’ny mpanohitra dia mba nanas any herivelona rehetra. Tonga maro, mazava ho azy, ny avy aty amin’ny fanoherana. Nisy ireo herivelona milaza azy ho mpanohana ny fitondrana nefa hery afovoany ihany koa tao toy ny vovonana ‘Lay FAR, ny antoko politika Fiombonana, ny antoko Natiora saingy tsy nahitana solontena avy amin’ny fitondram-panjakana ankehitriny kosa. Mbola azo lazaina ho nandeha ila koa izany iny mba tsy hilazana hoe nandamoka. Ny tena loza sy tena mampanahy farany teo dia nandeha ny fanasan’ny FFKM hanao fotoam-pivavahana ho an’ny firenena fa tsy hoe fikaonandoham-pirenena kanefa dia tsy nisy tamingana solontenan’ny fitondrana mijoro teny an-toerana. Raha fehezina dia maneho sary ankehitriny ireo mpanao politika malagasy, izany hoe mpitondra sy mpanohitra na koa rehefa ivelan’ny fitondrana, fa mihenjana ny tady eo amin’izy ireo. Tsy vonona hitady ny marimaritra iraisana. Tsy mifanaraka, mba tsy hilazana hoe tsy mihavana. Tena tsy mihavana sy tsy mifanaraka tokoa ve sa mody hoe izany? Ireo aloha no sary aseho ny mpanara-baovao sy ny olompirenena ka enga anie mba ho tanteraka ny hoe ny hamisavisana ny ratsy hihavian’ny soa fa dia mirary soa ny firenena aloha.
J. Mirija

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap