airtel

Politique

28-févr-2022

Politique

Miha tampina ny daomy Hataka sy trosa sisa iainana

Sample post image

Handalo fandinihana eo anivon’ny Filankevi-pitantan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI ny famoahana ny famatsiam-bolan’ny FEC (Facilité Elargie de Crédit) ho an’i Madagasikara.

28-févr-2022

Ny Fivorian’izy ireo ny 7 martsa izao no hanapaka ny famoahana ny 69 tapitrisa dolara, raha toa ka mahafa-po azy ireo ny fehin-kevitry ny « revue » andiany voalohany, izay niainga tamin’ny iraka sy diany teto, nifanatrehany tamin’ny mpitondra Malagasy ny 22 septambra hatramin’ny 25 oktobra 2021. Ny desambra tamin’ny taon-dasa no tokony nodihina sy nandraisana fanapahan-kevitra teo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny FMI ny dosien’i Madagasikara momba ny FEC saingy tsy tanteraka. Nisy ny fanomezan-toky avy amin’ny Fanjakana mba hahamora ny fisitrahana io FEC io. Etsy andaniny, isan’ny notakian’ny FMI ny fitsirihana lalina na « audit » momba ny fandaniana tamin’ny covid-19. Niandry an’io ny FMI, ary naneho fa tamin’iny taona iny, izany hoe ny 2021 no efa tokony namoahana an’izay. Ny 17 febroary lasa teo anefa vao nivoaka ny tatitry andiany voalohan’ny fitsarana momba ny kaonty na ny « cour des comptes » momba ny fitantanana ny vola fanampiana avy any ivelany niatrehana ny covid-19. Nivoitra tamin’ny ankampobeny, fa betsaka ny tsy fangaraharahana, ahiahy amin’ny mety nisiana kolikoly avo lenta,… 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara no nokirakiraina, izay betsaka ny fitantanana tsy mazava. Rehefa halalinina, tsy maintsy navoaka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty, izay notakian’ny FMI mba ahafahana manantena ny fivoahan’ny 69 tapitrisa. Azo heverina ny hivoahan’io satria sokajiana ho vola atokana ho an’ireo firenena tena sahirana io. Ny tsikaritra kosa, mihena ny fitokisana sy fahatokisan’ny mpamatsy vola ny Fanjakana Rajoelina no ny fitantanana tsy mangaharaha. Tsy tena misy vaingana fanampiana ara-bola be mba mahatratra amina miliara dolara, fa mitsitaitaika, ary ny sasany aza homena ny tsy miankina ny fitantanana azy. Sasatry ny mangata-bola hatrany ny Filoha amina fivoriana iraisam-pirenena na fihaonana amina tompon’andraikitra ara-bola iraisam-pirenena, toy ny tany amin’ny COP 26, tany amin’ny Fihaonana an-tampon’ny Vondrona Eoropeanina sy Vondrona Afrikanina,... Tena tsisy hatokona raha tsy misy trosa sy fanampiana avy any ivelany, lasa Fanjakana sy firenena mivelona amin’ny hataka ka aiza ilay hoe: tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa mampahantra firenena ?
Toky R
Légende: Ny Filoha Rajoelina nihaona tamin’ny Tale Jeneralin’ny FMI Rtoa Kristalina Georgieva ny 23 septamba 2021
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap