airtel

Politique

13-oct-2021

Politique

Mihalalina ny krizy Ny mpitondra fanjakana sisa tsy migrevy

Sample post image

Sesilany ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa eo anatrehan’ny tsy fananan’ny Fanjakana vahaolana matotra sy maharitra,

13-oct-2021

 raha tsy hilaza afatsy ny olan’ny anjerimanontolo sy ireo mpandraharaha amin’ny asa vaventy nanao làlana, izay mitaraina fa herintaona izao tsy azo ny volany. Tsy arakaraka ny kisehoseho etsy sy eroa, fa tena mandalo krizy ny firenena, bokan-trosa ny Fanjakana. Nahoana anefa no mahita 77 miliara dolara (280 miliara Ar eo ho eo) nomena ny sinoa tamin’ny fanamboarana ny Kianja Barea fa rehefa ny orinasa Malagasy dia fitahina tsy homena ny volany? Maro ny sehatra misy olana: tontolon’ny fanaovan-gazety mandalo krizy ka voatonontonona ho fositra ny fitsabahan’ny tompon’andraikitra ara-panjakana, ny Air Madagascar mibaby trosa 72 tapitrisa dolara, ny Jirama tsy milamina hatramin’izao ary mampikolay vahoaka ny toa endrika kajikajy ara-bola midangana mianjady amin’ny mpanjifa, ny KRAOMA tsy mahazo karama, ny SECREN mitaky karama septambra, bokan-trosa 43 miliara Ar amin’ny vidin-tsolika ny fitondrana,… Ny resaka fifehezana ny vidim-piainana nambara ho tsapa ao anatin’ny 3 andro toa vahaolana petatoko vao mainka mampikorosy fahana ny toekarena,… Ny Filoha izao no milaza fa raha 3500dolara ny saran’ny fitaterana kaontenera iray, kanefa niakatra 10 000 dolara saingy mbola sahiny ny milaza fa fandrosoana ny fanafarana entana ilaina andavanandro izay vao mainka mampitotongana ny ariary. Mahavita miteniteny foana tsy am-pisainana na tsy fahalalana mihitsy ireny hoe: hiandry vary 2 taona vao ho vokatra ve? Tsy hoe tsy ilaina ny fanafarana, fa mila mazava ny politikam-pamokarana hialana tsikelikely aminy. Ny ara-poliitika, maro ireo olon’ny fitondrana efa mipiripirina ary misy ny manomboka manontsana Fanjakana,… Asa rehefa iza no higrevy vao ho taitra sy hanaiky fa tena ambony lavitra noho ny fahombiazana ny lavaka mandifotry ny tsy fahaiza-mitantana? Ekena fa mandeha ny fitokanan-javatra, mahita hevitra hisehosehoana foana, tena marina fa mamoaka makety vaovao matetika, tsy lavina ny fisiana fampanantenana sesilany,… Azo lazaina ho madinidinika mety zakan’ny tetibolan’ny minisitera miantsoroka ny tetikasa ny fotodrafitrasa sasany. Mampametra-panontaniana kosa hoe: karaman’ny mpandrahan’ny oniversite sy ny volan’ny orinasa mpanao làlana izay tokony handeha ho azy sy efa milamina ao anaty tetibolam-panjakana aza efa gidagidra vao azo, ka vola avy aiza no hanaovana ireo tetikasa amina miliara dolara ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap