airtel

Politique

14-juil-2022

Politique

Miharatsy ny toe-draharaha Tsy to teny intsony ny Fitondrana…

Sample post image

Miharihary hatrany ny maha Fanjakana tsy mahazaka olana sy tsy mahavita mamaha krizy izao Fanjakana izao. Mikorontana ny fitantanan-draharaham-panjakana,

14-juil-2022

tahaka ny tsy misy ny Praiminisitra sy governemanta eto, tsy tena hita hatrany ny Lehiben’ny governemanta eo anatrehan’ny olana marolafy misesy. Voaporofo fa tsy nahomby ny fanoloana sy fikitihana matetika ny mpikamban’ny governemanta izay efa in’efatra izay tao anatin’ny 3 taona sy tapany. Fomba fanao ny mikitika an’io ho fampitoniana saim-bahoaka amin’ny toe-draharaha mangotrsaka, saingy efa zary henatra ho an’ny Fanjakana satria tonga amin’ilay fitenenana hoe: ny tarehy no ratsy, dia ny volo no aholankolana. Ny Filoha mipiripirina any, aroso sy asaina miteny ireo minisitra sasany indrindra amin’ireo sehatra toa misy olana, saingy tsy hita izay tena vahaolana mivoitra raha tsy hilaza afatsy ny resaka delestazy. Mipoitra tampoka avy any ny Filoham-pirenena mbola miezaka mampalaza tena, tahaka ny natao tany Ambovombe momba ny delestazy hoe: izaho no handray andraikitra rehefa tsy handray andraikitra ireo tompon’andraikitra. Aiza ilay andraikitra fa mbola mahery vaika ihany ny delestazy? Nandeha ny baiko ho famahana ny olana fa moa voavaha araka ny baikon’ny Filoha ve? Io indray ny resaka fitaterana, izay ny Filoha mihitsy no nilaza fa nidinika tamin’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ka nanapaka fa 600Ar ny saran-dàlana, saingy ny ampitson’iny dia toherin’ny mpitatitra sasany. Misy ihany ny manaraka ilay 600Ar Ny mpitatitra sasany tahaka ny FMA (Fitaterana Mirindra ho an’Antananarivo) misy ny zotra 192 sy 194 re fa hivory an’io manoloana ilay 600Ar, ary re fa toa mitady hirona kokoa amin’ny hoe: tsy mifanaraka amin’ny fiakaran’ny solika io, kanefa ny Filoha izao no nilaza fa io 600Ar io no marimaritra iraisana mifanaraka amin’ny vidin-tsolika 4900Ar. Mbola to teny eo anatrehan’ny vahoaka ve ny Filoham-pirenena eo anatrehan’ny toe-draharaha amin’izao. Io ihany koa ny mpivarotra eto an-dRenivohitra izay manomboka mihamahery vaika ny fanoherana ny fanapahan-kevitra raisin’ny mpitondra tarihin’ny ben’ny tanàna. Manomboka mamondron-kery sy tena tsy misaoma, fa vonon-kihetsika hanohitra ny heverin’izy ireo fa tsy rariny sy fanohintohinana azy,... Io ihany koa ny olan’ny mpanakanto sy ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina efa am-bolana maro momba ny OMDA (Ofisim-pirenena momba ny fiarovana ny zon’ny mpamorona). Tonga amin’ny fetrany ambony indrindra, ka iny nanambara iny ny Solontenan’ny mpanakanto ao anatin’ny filankevi-pitantanana fa tsy mila ny Minisitra intsony, ary mangataka ny hanesorana ny rafitr’izy ireo eo ambany fiahian’ny Minisitera. Efa endrika maneho ny fahatezerana amin’ny fihetsiky ny fitondrana ireny, ary mety hiteraka zavatra hafa rehefa mitambatambatra. Fahadisoan-kevitra ny fiheverana fa manaiky lembenana sy mahari-pery ireo vahoaka ireo, ka na fitantanana mamohehitra tsy misy vahaolana, fitondrana be afera sy kolikoly,… aza dia hangina foana ny olona.

ANTANANARIVO IRERY ANGAHA NO MADAGASIKARA?
Momba ny krizy, fanambarana fa 600Ar ny saran-dàlana eto Antananarivo ihany no nolazaina ka angaha Antananarivo irery no Madagasikara? Sa Antananarivo ihany no mila alamina satria eto hatrany no hipoahan’ny hetsi-bahoaka? Manao ahoana ny fifehezana sy ny fandrindrana any amin’ny faritra? Tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka saran-dàlana io vidin-tsolika io, fa miantraika amin’ny fiainana rehetra. Manjavozavo na tsy misy mihitsy anefa ny paikady sy ny politikam-pirenena hanalefahana ny krizy. Fampitahana amin’ny any ivelany, fivoizana fa mbola tsy tokony ho io aza ny vidin-tsolika, fanenjehana ny mpanohitra,… no tena hita taratra.

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Mankahery ny vahoaka malagasy manoloana ny zava-misy ankehitriny

Card image cap
28-mars-2024

Nisy omaly 27 martsa takariva ny karazana fandaharana sy fanambarana nataon’ny PAN.

Card image cap
28-mars-2024

Ankoatra ny fitoriana mba hanonganana tsy ho depiote ny Filohan’ny Antenimierampirenena Rtoa Christine Razanamahasoa,

Card image cap
28-mars-2024

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

Card image cap
28-mars-2024

Misedra olana marolafy ny firenena na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy!

Card image cap
28-mars-2024

Manamafy ireo mpikatroka ifotony ao anatin’ny Antoko TIM ao anatin’ny distrikan’Avaradrano,

Card image cap