airtel

Politique

19-sept-2023

Mihava Tour tao Befandriana Avaratra

"Ampiharina eto amin'ny firenena ny politikan'ny kibo"

Sample post image

Hampihatra ny Politikan’ny kibo rahatrizay tonga eo amin'ny fitondrana i Siteny Randrianasoloniako , raha ny teniny tao Befandriana avaratra omaly.

19-sept-2023

Hampiharina izay hampisakafo ny Malagasy rehetra, maraina atoandro ary hariva amin’ny alalan’ny fitsinjaram-pahefana, hoy hatrany ny Kandida laharana faha 13. Miaina amin’ny fambolena sy fiompiana avokoa mantsy ny 80%n' ny vahoaka Malagasy ka orinasa mpamokatra zezika no hamboarina fa tsy laharam-pahamehana aloha ny fanamboarana kianja manarapenitra, hoy hatrany ny filohan’ny Pro Siteny. Ankoatra izay ny fanomezana vola 4 Miliara isaky ny kaominina hanaovana asa fampandrosoana sy hanomezana asa ny tanora raha ny nambaran’i Siteny hatrany.Na dia hariva aza ny andro, tsy niala ny mponin’i Befandriana avaratra, nihaino izay kabary nataon’i Siteny Randrianasoloniako. Nasongadiny fa nampijaliana sy nampahoriana ny vahoaka Malagasy tao anatin’ny 50 taona taorian’ny nitondran’ny Filoha teo aloha Philibert Tsiranana, satria tsy misy intsony ny fitsinjaram-pahefana ary tsy manana teti-bola manokana ho amin’izany ny eny ifotony, tsy azo ekena izany hoy izy.
TSY NIPAKA TANY AMIN'NY 80% N'NY MPONINA
Maro ny programa nataon’ny filoham-pirenena nifandimby teto Madagasikara saingy tsy nahatsapa fa ny 80% ny Malagasy tantsaha mpamboly sy mpiompy avokoa, izay tokony ho laharam-pahamehana, raha ny nambaran’i Siteny R. Ny rano tsy tonga amin’ny fambolena no tena olana tamin’ireo toerana rehetra notetezinay tamina faritra mato, hoy izy. Ankoatra ny fanamboarana toha-drano, hisy ihany koa ny fananganana orinasa hanao zezika ho an’ny tantsaha raha ny nambaran’i Siteny Randrianasoloniaiko tamin’ireo mponina tao Befandriana avaratra. Hiompana amin’ireo kaomina miisa 1698 manerana an’i Madagasikara ny laharam-pahamehana hametrahana ny politikan’ny kibo ankoatra ny famoronana asa ho an’ireo tanora hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Nohamafisiny hatrany moa ny maha zavadehibe ny firaisankinan'ny Malagasy.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap