ny voka-pifidianana isaky ny distrika hanaterana ny vokatra rehetra eny amin'ny CENI foibe eny alarobia. Hanao ny fanamarinana sy ny fikarakarana ny vokatra voaray ny eny avy eo ka 3 andro aorian'io, izany hoe ny 24 novambra no heverina fa hamoahana ny voka-pifidianana vonjimaika. Miampita any amin'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana indray avy eo ny antontan-taratasy rehetra ka ao no mandinika miaraka amin'ireo fitarainana mety ho voaray, dia hivoaka ny vokatra ofisialy. Ny amin'ity fifidianana 2023 ity izany no mety voka-pifidianana voaangona faran'izay haingana indrindra hatramin'izay raha voahaja ireo tetiandro nambara etsy ambony ireo. Ny mampametra-panontaniana ny maro dia ny hoe fa inona no maha maika sy maha dodona, indrindra fa rehefa nisy ilay vaovao nilaza fa voaantso any Londres i Andry Rajoelina .Izy tenany moa dia efa namaly fa tsy misy an'izay saingy misy ireo Malagasy monina any Angletera no milaza fa tena misy io fiantsoana io, izay misy ifandraisana amin'ilay raharaham-pitsarana an-dRamatoa Romy Voos Andrianarosoa sy ilay frantsay mpiara-miasa aminy moa. Arahana akaiky ity raharaha ity ka ho hita eo ihany izay mety ho tohiny.
Nangonin'i RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,