Filohana andrim-panjakana goavana roa eto amin’ny firenena izay voafidim-bahoaka mivantana sy nofidian’ireo avy amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Filohan’ny Antenimierandoholona no samy nanambara tamin’iny faran’ny herinandro iny, fa manameloka tanteraka ny herisetra sy fanitsakitsahana ny zo fototra sy ny zon’olombelona. Samy naneho mivantana an’izany Rtoa Christine Razanamahasoa sy Atoa Herimanana Razafimahefa. Ity farany aza dia tena nahitsy nilaza fa tena mila arahina antsakany sy andavany ny voalazan’ny lalàmpanorenana. Tonga hatramin’ny endrika ampamoaka fa efa tena nivonona handray ny adidiny araka ny lalàmpanorenana handray ny toerana maha Filoham-pirenena mpisolo toerana, saingy noho ny antony tsy miankina aminy dia izao no zava-misy. Marihina fa raha ara-politika, dia avy amin’ny ankolafin’ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina ireo, saingy sahy milaza mahitsy ny zavatra tsy mety ankehitriny. Ny governemanta Ntsay Christian no tena mitondra ny baolina, izay heverina fa hiaingan’ny baiko amin’izao herisetra maro samihafa izao, ka azo raisina ho manameloka ankolaka ny governemanta ireo Filohana andrim-panjakana ireo. Mbola manenjana eo anatrehan’ny dinika hikatsaham-bahaolana ihany koa moa ny governemanta. Vao 4 na 6 andro lasa izay ny Praiminisitra Ntsay Christian sady Filohan’ny governemanta miara-mitantana ny firenena, fa tsy azo ekena ny rafitra hafa mitarika fifampidinihana fa ny CENI ihany no ara-dalàna. Misy feo mandeha fa efa 4 andro no niandry ny Praiminisitra ny rafitry ny fiangonana, fa tsy nipoitra izy. Mandeha ny sehon-javatra maro samihafa fa toa tsy rototra ity Praiminisitra ity, izay mandeha ny fanamarihana samihafa amin’izao fa tsy tonga teo amin’io toerany io ary tsy hitan’ny karatra tamin’ny politika raha tsy nisy ny tolon’ny depiote 73 ny taona 2018, saingy izy ankehitriny no mampamoritra sy mampandratra ireo mpitolona am-pilaminana, ary tena tsy mbola nisy teo amin’ny tantara izany filoham-panjakana sy filoham-pirenena roa teo aloha noratraina izany, raha tsy tamin’izao. Rehefa dinihina, ny Praiminisitra sy ny governemanta izay rafitra notendrena fa tsy voafidim-bahoaka no manjavona voalohany ao anatin’izao raharaha izao dia io manaotao foana io, ny HCC tsy ho rava fa tovanana CES (Cour Electoral Spécial), ny CENI hatsaraina, ny fitantanana haverina amin'ny Filohan’ny Antenimierandoholona,… ka izay no mahatonga ny fihetsiky ny governemanta ankehitriny tena miditra amin’ny karazana fihetsika politika mety hampidi-doza ny firenena. Io rafitra io izay efa narodan’ny antenimierampirenena tamin’ny alalan’ny fitsipaham-pitokisana fa narovan’ny Filoha teo aloha.
Toky R
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara